Politique

Fiarahamonina Malagasy Tsy manana kolontsaina politika


  • Alarobia 06 Septambra 2017

Manomboka mibahan-toerana eto amin’ny firenena amin’izao herintaona mialoha ny fifidianana izao ny fanehoan-kevitra politika isan-karazany.

Lohahevitra iray lehibe novoaboasan’i Sahondra Rabenarivo, ohatra, ny mikasika ny «fampielezan-kevitra sy ny fivoriana mifandraika amin’ny fifidianana». Efa nilaozan’ny toetrandro ny propagandy voafetra ho 15, 21 na 30 andro nanjakan’ny mpitondra teo amin’ny resaka fampitam-baovao amin’ny vahoaka, hoy ity mpahay lalàna ity. Misongadina hatrany ny fitanilana ho an’ireo kandida eo amin’ny fitondrana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana mandritra io fe-potoana io. Tsy hita taratra mihitsy mantsy ny adihevitra malalaka sy imasom-bahoaka, araka ny fanamarihany. Manamarina izany rahateo ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny fampahalalam-baovao ao anatin’izao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana (pré-campagne) izao. Tokony hofaritana mazava ny fampielezan-kevitra. Lesoka fototra nolovaina hatramin’izay teto Madagasikara moa ny tsy fisiana kolontsaina politika. Tsy nampivoatra ity fomba fisainana ity teo anivon’ny fiarahamonina Malagasy kosa ny lafiny lalàna natao hampanginana ny adihevitra demokratika ho fanomezana vahana ireo manampahefana, hoy ny mpikambana ao amin’ny Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena.

Nangonin-dRamano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT