Politique

Fiarahamonim-pirenena Tsy mahavita miaro ny vahoaka akory


  • Alakamisy 16 Novambra 2017

Anarana fotsiny fa tsy mahovoka akory rehefa tena misy ny ilana ireo fiarahamonim-pirenena ahitana ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy mpiaro ny zon’olombelona.

 
Misolotena ny vahoaka Malagasy anefa izy ireo.  650 Ariary ny kapoakan’ny vary fa tsy mbola hita izay fepetra mivantana raisin’ny fitondram-panjakana. Tsy mahateny intsony koa ny vahoaka na te hitroatra aza satria leo krizy sy matahotra ny ho fatifaty foana. Izao no porofo fa ireo fikambanana sy sendika rehetra milaza fa miaro ny zon'ny mpanjifa eto Madagasikara dia saika fitaovana politika sy mpikarama an’ady bolokim-bazaha daholo. Rehefa mahakasika ny fiainam-bahoaka mivantana toy ny vary, ny solika, ny tsy fandriampahalemana, delestazy dia tsy misy miteny izy ireo. Raha vao resaka tontolo iainana na “taxi ville” na fahalalahana hiteny na fananantany na fiarahan’ny mitovy fananahana dia mirongatra mitabataba daholo. Tonga amin’ilay famaritana frantsay izay hoe" société civile de service". Hita ho maika ny handany tetibola sy famatsiam-bola hatrany saingy tsy manana tetikasa matotra azo avadika asa mivaingana. Toa lany amin’ny fanaovana serasera sy atrikasa ny eo am-pelatanana kanefa ilay vahoaka efa ho in-dray mandeha isan’andro sisa no misakafo.


J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT