«Atao ampy sy matotra ny serasera, ny fifampidinihina ary ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony.
Tsy ampy ny fampahafantarana amin’ny mponina voakasika mivantana amin’ny tetikasa Tanà-Masoandro mba ialana amin’ny savorovoro samihafa», hoy Raharindranto Rakotomalala mpikambana eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena Rohy omaly. Taorian’ny fifandonana nisy teo amin’ny mponina ao Ambohitrimanjaka sy ny manodidina niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana ny herinandro teo dia hita fa maro ireo teboka tsy mazava. Araka ny nambarany, mila zaraina ho mangarahara amin’ny besinimaro ny antontam-baovao sy ny drafitra isan-karazany manazava tsara ny tiana hatao sy ny mampitombina ny tetikasa Tana-Masoandro na ara-teknika, na ara-tsosialy sy ekonomika na ara-tontolo iainana. Lazaina fa misy ireo, kanefa sady tsy ananan’ny maro no tsy nohazavaina amin’ny mponina. Sarotra noho izany ny mifampiresaka satria tsy fantatry ny tompon-tany sy ny tompon-trano ary ny manodidina mazava tsara ny hatao, ny vokany, ny fiantraikany ary ireo olona izay hahazo tombontsoa amin'ilay tetikasa. Manaja tanteraka ny zon’olombelona, ny zo fitompoana fananana izay arovan’ny Lalàmpanorenana araka ny andininy faha-34, ary ny zo hahalala ny vaovao (And. faha-11 ny Lalàmpanorenana) indrindra fa mahakasika ny fiainan’ireo voakasiky ny tetikasa mivantana na an-kolaka. Mino sy manantena ny Rohy fa ny Malagasy sy ny tompon’andraikitra, na inona na inona firehana ara-politika sy tsy fitoviana ara-kevitra, dia liam-pandrosoana ka afaka hifampiresaka sy hifandresy lahatra am-pitoniana. Manamafy sy manambara fa hanohy hanaraka akaiky ny zava-misy ary vonona hanamora ny fifampiresahana;
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.