Politique

Fiarahamonim-pirenena Mandindona ny hitroatra


  • Sabotsy 17 Martsa 2018

Ireny efa hita tamin’ny alakamisy ireny izany ny firaisankinan’ny Malagasy rehefa misy zava-mitranga tsy ankasitrahany ka voaentana tsara izy.

Na dia 5 minitra monja aza no nangatahan’ny fiarahamonim-pirenena hitabataban’izy ireo izay marary azy dia tsy ampy fa nihoatra 10 minitra mihitsy. Ho taitra ve ny fitondram-panjakana nanoloana ny zava-niseho ? Raha ny hita hatreto aloha dia ny mifanohitra amin’izay fanontaniana izay. Hanamaivana izany ve ny fitondrana HVM ? Ny fiarahamonim-pirenena hatramin’izay no azo lazaina ho vondrona nohenoin’ny fianakaviambe iraisampirenena, indrindra ary heverina fa mbola vokatry ny fitarainan’izy ireo ihany koa no tsy mampirotsaka ny famatsiam-bola avy atsy avy eroa tao anatin’izay 4 taona izay. Mandindona ny hitroatra amin’izay anefa izy ireo ankehitriny. Asa ny fitondram-panjakana na mba hitady vahaolana hafa iadiana amin’ny krizy na mbola hanohy ny amboletra ka hanao tandrevaka ny seraserany ihany manoloana ny toe-draharaha.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT