Hitety faritra hametraka ny dina hifampifehezan’izy ireo ny fiarahamonim-pirenena.
Tanjon’izy ireo ny hahafahan’ny fikambanana rehetra miray feo, mampitovy hevitra, tsy miankina amin’ny anaran’olona na hataon’ny sasany ho fitaovana politika fotsiny fa mba tena hananan’ny vahoaka fitokisana ka afaka hisolotena azy ireo amin’ny lafiny rehetra. Fantatra io omaly nandritra ny tafa nokarakarain’izy ireo ho an’ny mpanao gazety tetsy Antaninarenina, fihaonana izay mbola hitohy amin’ny fakana ny hevitry ny fikambanana sy ny fiarahamonim-pirenena etsy Anosy ny alakamisy ho avy izao. Aorian’ny fametrahana io dina iraisan’ny fiarahamonim-pirenena io, hoy Rasolofo Fety mpikambana eo anivon’ny komity mpikarakara dia hiarahan’ny mpikambana manapaka ny zavatra rehetra atao mba tena hisy akony any amin’ny vahoaka. Efa herintaona izao no nijoroan’ny fikambanana ary 200 ny nanangana azy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.