Tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI etsy Nanisana ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo anivon’ity vaomiera ity sy ny fivondronan’ireo fiarahamonim-pirenena na ny Rohy.
Niaiky ny Rohy fa hatreto dia marobe ny lesoka hita tamin’ireo fifidianana rehetra nanomboka tany amin’ny fanomanana ka hatramin’ny fanatanterahana. Tanjona amin’izao, hoy izy ireo, ny hahatongavana amina fifidianana milamina sy mangarahara mifanaraka amin’ny lamina demokratika. Adidy makadiry no miandry ary saropady ny fifidianana satria miantoka ny aim-pirenena, hoy ny filohan’ny CENI, Hery Rakotomanana, ka ilana ny fisokafana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra rehetra toy ny antoko politika, ny fiarahamonim-pirenena ary mpanao gazety. Araka ny nambaran-dry zareo avy eo anivon’ny Alliance Voahary Gasy, izay anisan’ny mpikambana ao anatin’ny Rohy kosa dia fanambin’ny Rohy ny handrakotra ireo biraom-pifidianana rehetra manerana ny nosy ary hiezaka izy ireo hahazo ny valim-pifidianana mialoha ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.