Politique

Fiaraha-mitantana ny tetezamita Tonga eo amin’ny tsotsorimamba isarahana


  • Alakamisy 05 Aprily 2012

Anio no hamantarana na hiala tanteraka na tsia ao anatin’izao tetezamita izao ny ankolafy Ravalomanana, araka ny fanazavan’ny mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Leriva Manahirana.

 Tsy honohono na koa fisintahana fotsiny ity indray mitoraka ity fa tena fialana tanteraka ao anatin’ireo rafitra rehetra. Araka ny fanazavany dia nisy nanova ny votoatin’ny volavolan-dalàna ho an’ny famotsoran-keloka. Manoloana izany dia tokony ho tonga eny amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ny solontenan’ny Troika SADC hitondra fanazavana ny amin’izany. «Rehefa tsy handray andraikitra ny SADC dia miala tsiny fa izahay tsy handefitra intsony. Aleo ho tompon’andraikitra amin’ny tsy fandraisany andraikitra ny Troika-SADC», hoy i Leriva Manahirana

. Tsy mety, hoy ihany izy ny mivoaka tsy miady. Rehefa miady hatramin’ny farany anefa ka mbola manao be marenina ny sasany dia aleo miala, hoy ity depioten’i Brickaville teo aloha ity. Nohamafisin’ny mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Rodin Rakotomanjato, fa dia matoa sahy namoaka ireny fanapahan-kevitra ireny ny mpitarika ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana dia ao raha. Miankina amin’ny zavatra hiseho eny Anosikely anio ny hoavin’ny tetezamita na mbola hijanona ho fiaraha-mitantana na hiverina any amin’ny lalan-tokana.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT