Nilatsaka omaly hariva ny vaovao ofisialy avy amin’ny masoivoho Amerikanina eto amintsika fa mpianatra mandray vatsim-pianarana CAPSTONE miisa17 tarihin'ny Amiraly Johnson no mitsidika an’i Madagasikara ny 9 hatramin’ny12 febroary izao
. Izy ireto no nentin’ilay fiaramanidina Boeing C 17 Goldmaster an’ny US Airforce nigadona teny Ivato ny alin’ny talata hifoha alarobia ka niteraka resabe teto an-drenivohitra.Vao notendrena ho “Général de brigade” izy ireo ary miofana hitana andraikitra avo lenta mitaky fiaraha-mitantana, fiaraha-miasa amin’ny fikambanana hafa, amin’ny governemanta isan-tsokajiny, amin’ny firenen-tsamihafa. Tafiditra amin’ny fiofanana ataon’izy ireo izao fitsidihana izao hahatakarany lalindalina kokoa ny fiarovana, ny fitandroana ny filaminana, ary ny olana ara-politika atrehin'ny firenena mpiara-miombona antoka amin’i Etazonia. Mandritra ny fijanonany eto Antananarivo, ireo mpianatra CAPSTONE dia hihaona sy hifanakalo hevitra amin'ny manampahefana miaramila sy sivily Malagasy, anisan'izany ny miaramila manamboninahitra mirotsaka amin'ny fiarovam-pirenena sy ny fandriampahalemana, ny zandarimariam-pirenena ary tompon’andraikitra ao amin’ny raharaham-bahiny. Hitsidika ny andian-tafika Malagasy misahana ny fandriampahalemana izy ireo ary hijery ny fomba mety hahatonga an’i Madagasikara amin’ny ho avy hitondra ny anjara birikiny amin’ny ezaka fandriampahalemana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina sy ny Firenena Mikambana.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.