«Napetraka ny vina izay navadika ho politika ankapoben’ ny fanjakana. Iaraha-mahalala fa ny 65% ny tetibolam-panjakana dia miantoka amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany.
Noho izany, hiezaka hampiakatra ny famokarana ato anatiny, hampiakatra ny fampidiram-bola anatiny, ary hametraka ny fanjakana tsara tantana amin’ity », hoy i Imbiki Herilaza, sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany raha nanontaniana ny fiaraha-miasantsika amin’ireo firenena vahiny. Nohamafisiny fa napetraka ny fiaraha-miasa matotra tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ary tao anaty tombontsoam-pirenena sady tao anatin’ny fifanajana ny lafiny politika iraisam-pirenena. Rehefa ireny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany tokoa mantsy dia misy ny karazana tamberim-bidy ao anatin’ny fifanaraham-piaraha-miasa ka manoloana izany dia napetraka hatrany ny hambompom-pirenena, hoy izy. Teo amin’ny resaka harena ankibon’ny tany dia voalohany teto amin’ny firenena no nisy hoe ajanona ny fitrandrahana sady tsirihana ny mahakasika ny kaontim-bola sy ny pitsopitson’ny zavatra nivoaka tamin’ny harena ankibon’ny tany tamin’ireny orinasa goavana ireny. Notsipihany manokana fa tsy natao ambanin-javatra ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena satria miaina ao anatin’izany rafitra izany isika. Fa kosa, mipetraka ny fifanajana amin’ny maha firenena mahaleotena i Madagasikara. Noho izany, isika no nametraka fepetra vao afaka niroso kokoa, hoy ity mpahay lalàna ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.