Politique

Fiara raitra lasa resabe An’olon-kafa sa an’ny Filoha ?


  • Alatsinainy 25 Novambra 2019

Niteraka resabe tany anaty tambajotran-tserasera ny fiara raitra dia raitra marika Range Rover nitondra ny filoham-pirenena tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo.

 

 

 

Nisy marika manokana « Filoha » sy misy ny sainam-pirenena Malagasy ka nahatonga ny rehetra hilaza fa nahazo fiara vaovao indray izy. Naely ihany koa ny resaka avy eo fa tsy an’ny Filoha iny, fa an’olon-kafa nampiasaina fotsiny. Tsy nisy ny serasera ofisialy na fampitam-baovao avy amin’ny mpitondra, ka maro no tsy mino. Aiza tokoa moa no hahalalan’ny besinimaro fa misy olon-tsotra hampindrana fiara ny filoha? Mitentina 500 000 Euros (2 000 000 000Ar) eo ho eo ny vidiny amin’izy efa voarafitra ho tsy laitram-bala. Ny 19 janoary 2019 teny Mahamasina no niteraka resabe ilay fiara vita Amerikanina marika Cadillac Escalade tsy laitram-bala marika V8 amin’ilay hiaka farany, mety hahatratra 4 400 000 000Ar. Ny Cadillac dia sokajian’ny gazetiboky Forbes ho anisan’ireo fiara raitra sy lafo vidy indrindra eto ambonin’ny tany. Niampy iray raha azy tokoa ilay Range Rover, ary andrasana ny fanazavana matotra sy mafonja kokoa raha tsy azy. Ny Malagasy sahirana tanteraka etsy an-kilany. Ny delestazy mampahory tsy misy vahaolana, ny rano fisotro mampijaly sy lasa miloko mavo indraindray, ny vidim-piainana miha midangana,… Anisan’ny fitaovana nanonganana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2009 ny fifidianana fiaramanidina Air Force One, kanefa tsy tahaka izao ny harinkarena sy ny faripiainan’ny Malagasy tamin’izany. Volan’ny filoham-pirenena manokana sa volam-bahoaka no hividianana an’ireny ? Manam-bola be ny fanjakana sy ny filoha mazava ho azy. Hihazakazahana anefa ny fitakian-ketra ary hiakatra be ny hetra takiana amina entana samihafa : labiera, ranom-boankazo, sigara, varim-bazaha, katsaka,… mba hampiditra volabe ao anaty kitapom-bolam-panjakana ho an’ny taona 2020. Hitohy izany ny fiakaran’ny ny vidim-piainana!

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT