Omaly talata no nankatoavin’ny filankevitry ny governemanta ny didim-panjakana miantso ny mpifidy handrotsa-bato amin’ny fifidianana filoham-pirenena voalohany ho an’ny Repoblika faha-4, ny zoma 25 oktobra 2013 (fihodinana voalohany).
Ary ny zoma 20 desambra 2013 kosa, araka ny fanambarana no mety hanatanterahana ny fihodinana faharoa miampy ny fifidianana solombavambahoaka. Andro tsy hiasana kanefa handraisan-karama ireo andro roa, izay samy tafalatsaka andro zoma ireo. Amin’ny maha androm-pifidianana azy dia voarara ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Maro no niandry ity fampiantsoana ny mpifidy ity, koa dia io nivoaka io izany ilay izy. Manamafy ny fisian’ny fifidianana izany rehetra izany, raha ny ara-taratasy sy ny lalàna aloha no jerena. Mbola resaka hafa anefa ny tena zava-misy marina iainana ka mahatonga ny ahiahy ny amin’ny hoe tena ho tanteraka marina ve ny fifidianana sa tsia ? Manambara ihany koa ny filankevitry ny governemanta fa ho hentitra ny fanaraha-maso ny fanajana ny lalàna sy ny lalàna mifehy ny fifidianana. Nanao antso avo amin’ireo kandida sy ny mpomba azy ireo ny fitondram-panjakana mba hanaja ny lalàna. Nambara, ohatra, fa tsy maintsy mahazo alalana voasoratra mazava an-taratasy avy amin’ny lehiben’ny distrika ny famoriam-bahoaka.
Tsy matotra
Fa nanaitra ihany ny fomba fiasa eo anivon’ny governemantan’ny firaisam-pirenena satria efa naparitaka tany amin’ny mpanao gazety ny tatitra momba ny filankevitry ny governemanta natao teny Mahazoarivo omaly, ary voasonian’ireo minisitra roa mpitondra-teny dia Rtoa Elia Ravelomanantsoa sy Atoa Urlich Andriantiana. Tampoka teo anefa dia iny fa nisy taratasy fanitsiana hafa indray naparitaka, satria nisy ny zavatra tsy nety tamin’ilay tatitra voalohany. Mahakasika indrindra ny fanemorana ny daty farany handraisana ny antontan-taratasin’ireo izay ho kandida solombavambahoaka ity fanitsiana ity. Voasoratra tao amin’ilay tatitry ny filankevitry ny governemanta fa ny zoma 4 oktobra 2013 amin’ny 6 ora hariva no fe-potoana farany fandraisana ny antontan-taratasin’ireo mpilatsaka hofidiana depiote. Milaza indray anefa ny taratasy fanitsiana nosoniavin’ireo minisitra roa mpitondra teny fa efa noresahana tao anaty fivoriana tokoa io fanemorana ny daty io saingy tsy mbola nolanian’ny filankevitry ny governemanta. Ka inona ary no nanoratana azy tao anatin’ny tatitra raha izany ? Ary ny mahagaga dia ao amin’ny ministeran’ny Atitany foana no manondrana sy mamalan-kira ao anatin’ity governemanta ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.