Politique

Fianakaviana Ravalomanana Tsy mbola tara ny fifampihavanana


  • Talata 19 Febroary 2013

Manoloana ny tsy fahasalaman’ny renin-dRtoa Lalao Ravalomanana sy ny tsy famelan’ny FAT ity farany ho avy hitsabo an-dreniny dia nanao fanambarana ny fianakaviany omaly.

 «Mitodika amin'ireo Malagasy izay nahafantatra an'i Neny, manana izany hoe Reny, ary indrindra fa izany Bebe izany. Tiavo izy ary kolokoloy tahaka ny anakandriamaso ary arovy araka izay azonareo atao, fa tsy misy tahaka ny Reny, ary tsy voavidim-bola izany fitiavana izany. Marary mafy i Bebe Razay. Namerina ny fangatahany i Bebe Razay mba hifankahita amin'ny zanany vavy Lalao Ravalomanana mialoha ny nidirany ao amin'ny Réanimation ny alahady maraina teo. Mafy, tena mafy amin'ny zanaka lahy

Malagasy izany tsy mahazo manatanteraka valim-babena izany, ary dia ny fitondram-panjakana malagasy ihany no vato misakana, kanefa ny adidy tsy an'olon-dratsy. Manao antso avo amin'ny Fianakaviambe iraisam-pirenena ny Firenena Malagasy mba hijery haingana ny vahaolana ho an'i Madagasikara, ary miarahaba azy amin'ny ezaka izay efa ataony. Hisoratra ny tantara ary tsy mbola tara loatra ny fifampihavanana, tsy mbola tara loatra ny fifamelàna ary ho vokatr'izany dia hiverina indray ny Fahafahana sy ny Fahamasinana eto amin'ny Firenena».

Nangonin’i JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT