Maro amin’ny Malagasy no liana sy manara-baovao amin’ny fiaimpiainana sy zavatra ataon’ireo filoham-pirenena eto amintsika sy ny fianakaviany, indrindra fa mandritra izao vaninandro fety izao.
Anisan’ny be mpanaraka ny zavatra ataon’ny fianakaviana Ravalomanana sy Rajoelina ary Rajaonarimampianina. Raha ny zava-misy tato ho ato dia mitovitovy ny fomba amam-panaon’ireo roa voalohany, raha tsy mazava amin’ny rehetra kosa ny mahakasika ny filoha am-perinasa. Fianakaviana milamina sy mirindra ary tena mifankatia sy mifameno no tazana avy ety ivelany vao mivoaka hombam-bady aman-janaka Rajoelina sy Ravalomanana ary fahafinaretan’ny mpitazana ny mijery sy manara-maso ny fihetsik’izy mianakavy avy, toy ny tamin’ny fetin’ny noely lasa teo. Zava-dehibe amin’ny Malagasy mantsy ny ankohonana. Tsy mba toy izany kosa no fijerin’ny maro ny fianakaviana Rajaonarimampianina. Tsy mba hitan’ny besinimaro ny filoham-pirenena hombam-bady aman-janaka izany fa dia toy ny honjohonjon’ny filoha mivady ny zava-drehetra. Maro no mba liana saingy toa sarotra ihany no hahita izany noho ny fiainam-pianakaviana manokana, hany ka takona sy tsy mba misy mpitazana ny fianakaviana Rajaonarimampianina. Misy ny fiainana manokan’ny fianakaviana, saingy mba misy ihany ny zavatra tokony ho fantatra sy ho hitan’ny vahoaka, toy ny fitakosonan’ny filoha mianakavy amin’ny besinimaro. Fitaratra ho an’ny rehetra mantsy ny toetra amam-pihetsiky ny filohany. Mahavita asa tsara kokoa ny filoha manana fiainam-pianakaviana milamina sy lavitry ny disadisa.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.