Politique

Fianakavian'ny voafonja Hanao hetsika lehibe amin'ity herinandro ity


  • Talata 29 Novambra 2011

Miandry ny valin'ny fivorian'ny mpikambana ao amin'ny governemanta anio ireo havan'ny voafonja ara-politika.

 Araka ny tsiliantsofina dia nikasa ny hanao hetsika lehibe mihitsy izy ireo anio teny Mahazoarivo saingy noho ny fandinihana ny filazana nataon'ny praiminisitra ny zoma teo mikasika ny hoe hotohizana anio ny fandinihana ny fepetra fahatoniana dia nanapaka ireo mpikambana fa ahemotra amin'ny andro manaraka ity hetsika ity. Tsy ho ela anefa izany araka ny fantatra fa amin'ity herinandro ity ihany. Ambetin-tenin'ny maro amin'izao fotoana izao ity resaka famoahana ny gadra politika ity. Ny filoha teo aloha ny Amiraly Didier Ratsiraka no efa nitaky voalohany ampahibemaso ny amin'ny tokony hamoahana ireo gadra politika ireo indrindra ireo miaramila mbola any am-ponja. Mandeha ihany koa ny fihaonana etsy sy eroa amin'izao fotoana izao eny anivon’ireo miaramila manamboninahitra mandinika ity raharaha ity.

Raha ny zava-nisy tamin'ny zoma aloha nandritra ny filankevitry ny governemanta dia ho kely ihany finoana amin'ny famoahana ireo gadra politika ireo. Miziriziry amin'ny heviny tanteraka mantsy ireo minisitra izay notendren'ny filohan'ny FAT mivantana. Tsikaritra ho tsy marisika ihany koa ny eo anivon'ny ministeran'ny Fitsarana. Raha ny fandaharam-potoanan'ny fotoam-pitsarana rahateo no zohina dia tsy anisan'ireo hotsaraina amin'ity taona ity intsony ny raharaha mahakasika ireo miaramila any am-ponja ireo, indrindra ny raharaha BANI sy ny FIGN. Mivoatra isan'andro anefa ny toe-draharaha politika eto amin'ny firenena amin'izao fotoana izao ka ho hita eo ny tohin'izany rehetra izany.
 

Solonirina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT