Politique

Fianakaviamben’ny mpanohitra Hiverina hifandamina indray aloha


  • Sabotsy 05 Jolay 2014

Antoko politika miisa 14 mijoro ara-dalŕna eny anivon’ny minisiteran’ny Atitany no mivondrona ao anatin’ny fianakaviamben’ny mpanohitra ankehitriny, araka ny fanazavan-dRasambozafy Cyrille.....

Manoloana ny tsy nahitana marimaritra iraisana tamin’ny fifidianana izay ho lehibe mpitarika ny mpanohitra, nandritra ny fihaonambe natao tao amin’ny Mon Goûter Andrefan’Ambohijanahary farany teo dia miezaka manitsy ny lesoka sy mitondra fomba fijery vaovao amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ireo antoko politika sokajiana ho mpanohitra. Voambolana roa goavana tian’izy ireo hapetraka ny mangarahara sy ny fifampitokisana manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Tsy laharam-pahamehana ho azy ireo aloha ny fikatsahana ny toeran’ny lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimieram-pirenena, hoy ity mpikambana parlemantera nandritra ny tetezamita ity. Ny antony dia satria manjaka loatra ny kolikoly ao anatin’ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity ka tsy misy antenaina ny aminy no mahamenatra ny zava-mitranga ao. Tanjon’ny fikaonan-doha izay ketrehin’izy ireo ankehitriny moa ny hamoaka velirano ekena sy hankatoavin’ireo mpikambana mpanohitra rehetra. Takian’izy ireo ihany koa ny famaritana mazava ny fitsipi-dalao ara-dalàna mba tena ho mpanitsy sy mpananatra ny tsy mety hataon’ny mpitondra ny fikambanamben’ny antoko mpanohitra mijoro  ara-dalàna eto Madagasikara.  Andrasana ny ho tohin’ny raharaha.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT