Politique

Fianakaviamben’ny Frankôfônia Velon’ahiahy amin’i Madagasikara ?


  • Alarobia 13 Jolay 2016

Nihaona tamin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina teny Iavoloha omaly maraina Rtoa Michaelle Jean sekretera jeneralin’ny fikambanamben’ny Frankôfônia (OIF) niaraka tamin’Atoa Malick Sarr masoivohon’ny OIF eto amintsika

 

. Fohy ny fampitam-baovao momba ny fihaonana ka nambara fa manodidina ny fikarakarana ny fihaonana an-tampony faha-16 amin’ny volana novambra sy momba ny fivorian’ny parlemantera Frankôfôna natao teny Ivato. Anio, mandritra ny resaka amin’ny mpanao gazety ataon’ny mpitondra sy ny sekretera jeneralin’ny OIF, no mety hahazoana fanampim-baovao. Nahabe resaka hatramin’izay ny fampiantranoan’i Madagasikara ity fivorian’ny Frankôfônia amin’ny volana novambra ity satria iaraha-mahita ny fahasahiranan’ny firenena sy ny tsy fisian’ny fitoniana na ara-politika na ara-tsosialy eto. Ny herisetra sy asan-jiolahy efa tsy resahana intsony. Ankehitriny, miseholany indray ny fanohintohinana ny fahafahana maneho hevitra sy ny kajikajy hifehezan’ny fanjakana ny asa fanaovan-gazety. Fahotana mahafaty ho an’ny OIF sy ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny ankapobeny izany ka mahatonga ny resaka mandeha fa mety hosaziana i Madagasikara raha mitohy ny savorovoro ary tsy hotanterahana eto fa hafindra any amina firenen-kafa ny fivoriana amin’ny volana novambra. Ny fanomanana rahateo hita hoe misy fahatarana ihany ary tsy mbola afak’olana tahaka ny fanamboarana ilay lalana Tsarasaotra-Ivato, ohatra. Eo amin’ny resaka arofenitra izao omaly dia nahitana olana satria nisy depiote Malagasy maromaro tsy navela niditra teny amin’ny CCI Ivato misy ny fivorian’ny APF fa hoe tsy tao anaty lisitra, hono. Nafampana ny adihevitra, nisy mihitsy ny fifamaliana, nahazo ny hafatra tamin’ireto depiote ireto ny filohan’ny antenimieram-pirenena, voatery nanamboarana  maimaika fahazoan-dalana manokana moa izy ireo ny farany. 400 ny mpandray anjara tamin’ity fivorian’ny parlemanta Frankôfôna ity. Izany no mitranga, ka asa izay hiseho raha olona 4 000 no tonga hivory eto. Efa nisy ihany moa ny feo nivoaka fa raha sanatria tsy mahafeno ny fepetra i Madagasikara dia mety hafindra any Québec-Canada ity fihaonana an-tampony faha-16 an’ny OIF ity. Henatra lehibe ho an’ny firenena anefa izany raha sanatria mitranga, ary vao miha hanaratsy endrika eto an-toerana sy any ivelany ny fitondran-dRajaonarimampianina

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT