Politique

Fianakaviambe iraisampirenena Mitaky fifidianana amin’ity taona ity


  • Alatsinainy 20 Jona 2016

Hotanterahina amin’ny volana jona 2016 ireo fifidianana rejionaly sy provinsialy eto Madagasikara,

 

hoy ny fampanantenan’ny praiminisitra teo aloha Ravelonarivo Jean nandritra ny dinika politika faha-3 niaraka tamin’ny Vondrona eoropeanina tao amin’ny trano fonenan’ny masoivoho britanika eny Alarobia ny volana febroary tamin’ity taona ity. Zakan’ny fanjakana Malagasy ny fikarakarana azy ireo fa tsy mila ny tohana ara-bola avy amin’ny mpamatsy vola, hoy ihany ny fanambaran’ny lehiben’ny governemanta teo aloha. Nitsipaka io toky nomen’ity farany teo anoloan’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena amin’i Madagasikara anefa ny filohan’ny Repoblika rehefa nampiantso ireo mpikambana ao amin’ny Vaomiera mahaleotena nasionaly misahana ny fifidianana teny Iavoloha iray volana taorian’io. Nangataka tamin’ny Ceni hanolotra ny vina fandaniana amin’ireo fifidianana roa ireo indray anefa ny minisiteran’ny Fitantanana sy ny Tetibola herinandro mahery izay. Mitaky ny fanatontosana ny fifidianana ireo Vondrom-bahoaka Itsinjaram-Pahefana (VIP) moa ny sehatra iraisampirenena, araka ny fantatra. Tsy latsaky ny 3 miliara ariary moa ny fandaniam-bola ilaina raha andro iray no hanaovana ireo fifidianana VIP roa ireo, izany hoe ny fifidianana eo anivon’ny faritra sy ny faritany. Avo roa heny kosa raha andro roa samihafa.

Ramano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT