Politique

Fiampangana ny filoha Mety ho sahirana i Patrick Raharimanana


  • Talata 12 Aprily 2016

Niampanga ny filoha Hery Rajaonarimampianina ho nanao hosoka sy nampiasa hosoka tao amin`ny facebook ny mpanorina ny « Vitatsika Io »,

 

Patrick Raharimanana, taorian`ny nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny fametraham-pialan’ny praiminisitra teo aloha Jean Ravelonarivo teny Iavoloha ny 8 Aprily lasa teo. Heloka bevava tokoa ny fiampangana nataony tamin’ny filoha ka izany indrindra no mahatonga ireo mpanara-baovao hilaza fa mety ho sahirana noho izao fihetsika nataony izao ity mpanao politika iray ity.

 

Maro tamin’ireo mpanao politika tokoa mantsy no avy hatrany dia nihazakazaka nanameloka sy nanenjika ny fitondrana raha vao nandre ny fanambarana nataon’ny praiminisitra teo aloha Jean Ravelonarivo nanao hoe « tsy nanao sonia taratasy fametraham-pialana aho ! ». Voalohany tamin’izany ny ekipan’ny mpanongam-panjakana Andry Rajoelina (MAPAR, ARMADA, ny senatera Lylyson …) ary ireo mpanao politika zatra ny lalan-dririnina. Voafitaka avokoa anefa izy rehetra ankehitriny ary tezitra mafy amin’ny praiminisitra teo aloha Jean Ravelonarivo. Efa velom-bolo avokoa mantsy izy ireo fa hisy korontana eto amin’ny firenena ary  efa nanomboka nivory tetsy sy teroa.

 

Kinanjo, nanao taratasy nanamafy ny fametraham-pialany ny jeneraly Jean Ravelonarivo ny alahady lasa teo. Tapi-dalan-kaleha avokoa ireo mpandala ny fanonganam-panjakana. Ny mpanorina ny « Vitatsika Io » aza mety mbola hanana olana hafa mihitsy noho izy niampanga ny filoha ho nanao hosoka sy nampiasa hosoka, manodidina ny fametraham-pialan’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo tamin’ny 8 aprily teo. Marihana moa fa anisan’ireo kandida filoham-pirenena farany teo i Patrick Raharimanana.     

 

RTT

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT