Politique

Fialan’ny filoham-pirenena Mitombo isa ireo mitaky azy


  • Alakamisy 23 Jona 2016

Fanapotehana ny firenena, famonoana ny mpiray tanindrazana ary fivarotan-tanindrazana no nisongadina tao anatin’ny 2 taona sy tapany nitantanan’ny fitondrana mijoro ankehitriny.

 

 Tsy azo ekena intsony ny fanaovana rapadango ny volam-bahoaka, ny kolikoly avo lenta, ny fivoahan’ny harem-pirenena miaraka amin’ny varoboba ny tany sy faritra maro eto Madagasikara, hoy ireo fikambanana sy vondrona avy amin’ny sehatra samihafa naneho hevitra ampahibemaso teny amin’ny Astauria Antanimena omaly. Heloka sy fahadisoana goavana eo anatrehan’ny firenena, ny taranaka sy ny tantara ny mbola hamelana hatrany ny fanohizan’ny mpitondra ankehitriny ny fitantanana gaboraraka, fampiasan-kery, fisamborana, fampitahorana, famaizana ao anatin’ny fandikana sy fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana nataon’ny fitondrana Rajaonarimampianina hatramin’ny taona 2014, hoy ireto farany. Soso-kevitra haroson’ny Antso ho Fanavotam-Pirenena ho an’ny filohan’ny Repoblika moa ny famindrana fahefana amin’ny filohan’ny Antenimierandoholona ao anatin’ny 30 andro izay fanapahan-kevitra tsy mivaona amin’ny Lalàna fototra izany. Vahaolana ala nenina mendrika horaisina manoloana ny lalan-tsarotra diavin’i Madagasikara hisorohana ny korontana eto amin’ny firenena, araka ny fomba fijerin’ny AFP. Mitombo isa hatrany noho izany ireo vondron’olona sy fikambanana mitaky ny fametraham-pialan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina noho ny fahatsapana fa efa tena tsy zakany intsony ny fitantanana ny firenena. 

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT