Miomana fatratra amin’ny fiatrehana ny fifidianana hatao eto amin’ny firenena ireo antoko politika. Iray amin’izany ny ekipan’i Voninahitsy Jean Eugčne.
Ny herinandro teo iny dia nanao be midina tany amin’iny Faritra Androy sy Anôsy iny ny tao amin’ny “Les Autres Sensibilités” (Les AS), nametraka ny rantsamangaikan’ity vondrona politika, anisan’ny mpanao sonia ny tondrozotra ity. Tany an-toerana ny minisitry ny atitany Rakotoarisoa Florent, izay anisan’ny mpikambana mavitrika amin’ity “Les AS” ity. Voafidy ho mpitarika ao amin’ny Faritra Anôsy i Andriamandimby Solondrainy Emmanuel. Tao Amboasary Atsimo no natao ny fivoriana. Tafapetraka ihany koa ny birao eo anivon’ny Distrikan’Amboasary Atsimo.
Nanaitra ny nahafantarana fa saika ireo mpikambana tao amin’ny antoko Liaraikin’ingahy Kaleta, no nakany amin’ity vondrona iray ity. Nisy mihitsy ny fanambarana teo imasom-bahoaka nataon’izy ireo fa tsy ho anisan’ny mpiara-dia amin’i Kaleta intsony. Voalaza aza moa fa efa eo am-piandrasana ny fanesorana ny maha CST an’i Kaleta ny «Les AS» ka ny fanapahan-kevitra avy amin’ny filohan’ny tetezamita, hono, sisa andrasana dia vita hatreo ny an’i Kaleta. Tsikaritra fa manomboka misintaka ny antoko Liaraiky ireo mpikambana mavitrika tao aminy, ary dia mety ho tavela irery ao i Kaleta.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.