Politique

Fiainam-pirenena Zava-dehibe ny andraikitry ny tanora


  • Zoma 27 Jolay 2012

Mpanao politika maro no namaly ny antson’ny Masoivoho Amerikanina ny alarobia lasa teo.

 Nitafa sy nifanakalo hevitra tamin’ireo tanora mpitarika nalefan’ny Masoivoho Amerikanina tany Etazonia nanatrika ny fihaonamben’ireo tanora mpitarika Afrikanina mikasika ny fampivoarana na “Innovation” izy ireo. Tanora mpitarika miisa 60 no nandray anjara tamin’io fihaonambe io, izay naharitra roatokombolana tany Etazonia tamin’ny volana jona lasa teo. Rija Andrimoria sy Saraha Rasoambolanoro no nisolotena an’i Madagasikara tamin’izany. Afaka nitafa mivantana tamin-dRamatoa Hillary Rhodam Clinton, Sekreteram-panjakana Amerikanina izy ireo tamin’izany sady nanaraka fiofanana momba ny fitantanana ary ny tambajotran-tseraseram-piarahamonina na ny “Social Media”.

Nivoitra nandritry ny fihaonan’ireto tanora Malagasy ireto tamin’ireo mpanao politika Malagasy fa ny fanabeazana no fototry ny fampandrosoana. Niangavy ireo mpanao politika namaly ny fanasana ireto tanora mpitarika ny mba hanaovan’ny mpitondra sy izay mbola hitondra vaindohan-draharaha ny fanabeazana tsara ny taranaka satria izy ireny no hoavin’ny firenena. Nisongadina tamin’ny tatitra nataon’i Rija sy Saraha koa fa any Etazonia dia mbola kely ny ankizy dia efa ampianarina sahady ny fampivoarana ny mahaolona. Ny eto amintsika kosa anefa dia any amin’ny ambaratonga ambony ny tanora vao mianatra izany. Anisan’ny nivoitra koa ny fahasamihafan’ny demokrasia eto Madagasikara sy any Etazonia ary ny fampiharana azy eto Madagasikara. Samy nametraka fanontaniana moa ny tsirairay raha mety hampandroso an’i Madagasikara ny modely demokrasia any Etazonia. Ankoatra ireo mpanao politika Malagasy dia nandray anjara tamin’ity dinika ity koa i Ruddy Thomas, izay mpiandraiki-draharaha misolo toerana vonjimaika sy Brett Bruen Mpanolotsaina amin’ny Serasera sy ny Kolontsaina eo anivon’ny Masoivoho Amerikanina. Ity farany no namarana ny fotoana tamin’ny alalan’ny fandraisana fitenenana, ka notsindriany manokana ny maha zava-dehibe ny andraikitry ny tanora eo amin’ny fiainam-pirenena. Nambarany tamin’izany fa anisan’ny nahalany an’i Barack Obama ho filoha Amerikana ny fihainoany ny tanora izay nolazainy tamin’ireo mpanao politika maro tonga tao fa fanalahidin’ny fahombiazana.

 

Nagonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT