Politique

Fiainam-pirenena sy politika Manana ny ambarany hatrany ny iraisam-pirenena


  • Talata 19 Martsa 2019

Tena manana izany atao hoe fiandrianam-pirenena izany marina ve i Madagasikara? Efa ho 59 taona no nahazoana fahaleovantena kanefa mbola maro amin’ny Malagasy no mihevitra sy mino tanteraka fa tsy mbola mahaleo tena izany fa i Frantsa sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena no tompon’ireo fanapahan-kevitra lehibe raisina eto amin’ny firenena.

 

 

 Hatreto aloha dia mazava fa ny sehatra iraisam-pirenena no tompon’ny teny farany. Rehefa miresaka fianakaviambe na vondrona iraisam-pirenena dia tafiditra ao anatin’izany daholo na ny Vondrona Afrikanina (UA), SADC, Firenena mikambana (ONU), Ny Frankofonia (OIF), ny vaomieran’ny ranomasim-be Indianina (COI), ary ireo firenen-dehibe manana fifandraisana akaiky amin’i Madagasikara. Maro ny raharaha nahitana dian-tanan` ny iraisam-pirenena teto amin`ny firenena. Farany teo ohatra, na dia efa marobe izao aza ny porofon’ny halabato dia nankatoavina ho filoha ihany i Andry Rajoelina; ary noresahan’ny fianakaviabe iraisam-pirenena mba hanaiky izany Atoa isany Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina, ary hatramin’izao dia mangiana tsy re feo sy tsy miresaka politika izy mirahalahy ireo. Ny Praiminisitra  Ntsay Christian moa izay tompon’andraikitra teo anivon’ny OIT na fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa dia efa mazava fa olon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena; tahaka izany ihany koa ireo tompon’andraikitra sasany manodidina ny filoham-pirenena. Vao nafampana ny raharaha teny amin’ny Antenimierampirenena noho ireo lalàna fehizoro momba ny fifidianana tamin` ny volana martsa-aprily 2018 dia nalefa haingana teto amintsika ny delegasionina avy amin’ny Troika eo anivon’ny vondrona SADC, izay notarihin’ny minisitra ny Raharaham-bahiny “angolais”, Manuel Domingos Augusto. Hiverenana hatrany ny tantara, ny fitsabahan’ireo vahiny no nitarika tany amin’ny fivoahan’ilay tondrozotra izay nahafahan’ireo mpanao pôlitika nizara seza teo anivon’ireo andrim-panjakana maro samihafa najoro teto amin’ny firenena. Ny fianakaviambe iraisam-pirenena ihany koa no nitarika tamin’ilay hoe “ni . . . ni”, ka tsy nahafahan’i Andry Rajoelina sy Rtoa Lalao Ravalomanana nilatsaka ho fidiana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, ny taona 2013. Raha zohina ihany koa, efa ela no natosika nivoaka i Marc Ravalomamana tamin`ny tontolo politika. Raha ny fanadihadiana natao, efa nanomboka izany tamin`ny taona 2006. Nandritra ny fifidianana 2006, nisy tamin` ireo mpiara-miombon` antoka tamin`i Madagasikara no nandrisika an` i Marc Ravalomanana tsy hirotsaka hofidiana filoham-pirenena tamin` izany saingy nilaza ny Filoha fa ny MAP dia nahazo famantsiam-bola ka tsy rariny kosa ny tsy hanohy ny asa izay efa natomboka.  Mialoha ny tetezamita, nolazaina fa ny filoha Ravalomanana saika hivarotra tanindrazana tamin`ilay orinasa Koreanina tatsimoDAEWOO LOGISTICS CORPORATION tamin’ny taona 2008. Tsy eto ihany fa any amina firenen-kafa toa an’I Venezuela dia tena hita mivandravandra ny dian-tanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny raharaha anatin’ilay firenena, fa olona nisora-tena ho filoha, izany hoe nanongam-panjakana sy niantso fikomiana no ekena fa filoham-pirenena.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT