Politique

Fiainam-pirenena miha sarotra Tonga saina hatramin’ny ankizy


  • Alarobia 07 Martsa 2018

Tsy misy izay tsy miaiky ny olona fa tsy misy mandeha amin’izay laoniny intsony ny fiainam-pirenena ankehitriny. Ankoatra ny tsy fisian’ny fandriampahalemana dia tsy mitsaha-miaka-bidy ny entana eny an-tsena. Anisan’ireny ny vidin-jiro, ny solika izay mampitaraina ny maro tokoa.

Ny vidim-bary izay tafakatra 1.000 Ar ny iray kapoaka any Antsalova, ny haratsian-dalana,….Tonga saina hatramin’ny ankizy vokatr’izany. Betsaka amin’izy ireny mantsy no zary manana alahelo anaty tsy fidiny noho ny fahasahiranana mianjady amin’ireo ray aman-dreniny. Tsy maintsy mitrosa isan’andro vao mihinana, indray mandeha isam-bolana ihany vao mahita hena ny vilany, tsy afa-mianatra mandritra ny andro maromaro fa tsy voaloa ny saram-pianarana raha misy mihitsy ireo voatery mijanona eny an-tenantenany … Nankalazaina omaly ny andro maneran-tany ho an’ny radio sy ny vata fahitalavitra hanomezana sehatra ny ankizy. Tsy diso anjara amin’izany ny gazety Tia tanindrazana. Manana ny nofinofiny entina hanarenana ity firenena ity ny ankamaroan’ny ankizy sendra anay amin’ny ankapobeny. Ampahany amin’izany izy roalahy kely ireto.

 

Morgan, zazalahy kely, 13 taona : Raha  izaho no lasa filoham-pirenena dia hizara zavatra ho an’ny mahantra aho. Dia hanao soa koa fa tsy hanao ratsy. Tena efa sahirana mantsy ny vahoaka.

 Sayan, zazalahy kely, 13 taona : Izaho hanamboatra lalana rehefa lany ho filoham-pirenena. Dia tsy adinoko ny mikarakara ny vehivavy ohatra an'i Neninay izay tena miasa mafy tokoa. Dia ampiko koa ny sahirana.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT