Politique

Fiainam-pirenena Mbola ao ihany ve ireo mpanatanteraka ?


  • Alakamisy 16 Febroary 2012

Efa herinandro vitsivitsy izao no tsy nisiana Filankevitra intsony, na io ny an’ny governemanta na ny an’ny minisitra.

 Manoloana ny voina mihatra eto amin’ny firenena toy izao fandalovan’ny rivodoza izao koa, ohatra, dia fanao ny filankevitry ny governemanta sy minisitra hanaovana tombana ny zava-misy, hijerena sy hakana izay fanapahan-kevitra tokony horaisina amina vonjy taitra. Hatramin’ny fotoana nanoratana aloha dia tsy mbola nisy ny fihaonana sy dinika eo amin’ireo fahefana mpanatanteraka. Natomboka omaly ihany koa ny fivoriana tsy ara-potoana fahatelo eo anivon’ireo Parlemanta. Dia toa mahavalalanina fa dia minisitra tokana no mba nisolotena ny mpikambana avy amin’ny governemanta nanatrika izany.

Ary dia mbola ny resaka lalam-pifidianana sy ny momba ny fifidianana no dinihin’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita na dia nifanarahana tany Pretoria farany teo aza fa tokony hipetraka mialoha ny 29 febroary 2012 ny lalàna mahakasika ny fitoniana sy ny volavolan-dalàna momba ny amnistia. Misasaka ihany ity ny febroary, toa tsy hita tokotaniny izany. Ho an’ny CT Mamitiana Ravelonanosy dia tsotra ny resaka, tokony hanambara ny governemanta fa tsy vitany ireo volavolan-dalàna momba ny fitoniana sy amnistia ireo ka dia hisy fepetra horaisina mifanaraka amin’izay. Dia velom-panontaniana ny maro hoe mbola hisy sahy hilalao ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena ihany ve ireo napetraka hitondra amin’izao dingana misy ny firenena izao ? Mbola ao ihany koa ve ny fahefana mpanatanteraka sa efa samy manana ny lalany ?

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT