Politique

Fiainam-pirenena Manangasanga indray ny krizy…


  • Alarobia 27 Martsa 2019

Maro ireo olona nanohitra ny fitondrana nifanesy, indrindra tamin`ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina. Raha ny zavatra hitan`ireo nahazo fahefana dia tretrika sy hiadana ary hilamina i Madagasikara.

 

 

 

Toa efa mipetraka avokoa ny zavatra rehetra. Toy ny fahalalahana hiteny, haneho hevitra. Anisan`ny niady mafy izany ny minisitry ny serasera ankehitriny. Raha tsiahivina, nisy fandehanana teny amin’ny arabe, nilanja vatam-paty. Fihetsika maro no nanehoana fa ilaina ny fahalalan`ny vahoaka maneho hevitra ao anatin`ny firenena. Teo amin`ny sehatra ara-politika dia nametraka tsara fa hamerina indray an`i Madagasikara ao anatin`ny voninahiny, amin`ny fahampiana sakafo, ny fampianarana, ny tsy fandriampahalemana izao fitondrana izao. Ny zava-misy andavanandro anefa dia ny horohoro mahazo ny vahoaka toy ny fakana an-keriny, halatra omby, fanolanana, vaky trano … Namoaka fanambarana avy eo ny minisiteran`ny serasera sy ny kolontsaina fa ireo sary manaitaitra na koa mampihetsi-po dia tsy azo alefa amin`ny haino aman-jery. Izany fanapahan-kevitra izany tokoa ve no laharampahamehana , sa paikady hanafenana ny tena marina ? Tsy azo alefa amin`ny haino aman-jery na gazety satria tsy voafehy ny tsy fandriampahalemana ? Ny tsapa  dia miandry voadona vao mihetsika ny fitondrana. Nipoaka tany Antalaha sy Farafangana,  vao nivaha ny delestazy. Iray andro taorian`ny fahaverezana ain’olona dia tonga ny “groupe”na famatsiana jiro. Tsy nisy ve ny fanazavana mialoha nomena ny mponina tany an-toerana ka nahafahana nisoroka ny korontana ? Toa manaporofo izany rehetra izany fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fitantanana ny firenena, misy zavatra misafotofoto sy mikorontana.Miha mipoitra tsikelikely ny fahasosoran’ny olona ary tena ahiana ny hitrangana savorovoro eto rehefa mafampana eo indray ny fampielezan-kevitra fifidianana solombavambahoaka; na aorian’ny latsa-bato sy rehefa mivoaka ny voka-pifidianana.Marary ny vahoaka, maro no sosotra no sady diso fanantenana..mananontanona ny krizy sosialy ary tsy lavitra an’io ny krizy politika !

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT