Manomboka miparitaka eto an-drenivohitra indray tato anatin’ny herinandro izao ny feo fa hisy korontana mahatsiravina eto Madagasikara amin’ny herinandro faharoa amin’ny volana febroary.
Raha io siosion-dresaka io no raisina dia miainga eto Antananarivo Renivohitra ny savoritaka ary hiparitaka amina tanàn-dehibe maro amin’izay avy eo tahaka an’i Toamasina, Fianarantsoa, Toliara … Tsy ny mpandinika na mpamakafaka politika ihany no miresaka ity tranga mampatahotra ity fa efa tonga hatrany amin’ireo diplaomaty sasany miasa eto amintsika. Ankoatra izay, efa nandrenesam-peo momba ity raharaha ity ihany koa ny teo anivon’ny foloalindahy. Sarotra ihany moa ny nanaporofoana ny fahamarinan’ity resaka ity saingy na izany aza heverina fa tokony ho mailo ihany ny rehetra, indrindra fa ny manampahefana sy ny mpitandro ny filaminana satria tsy kely lalana ny ratsy. Tsy mbola tafapetraka eto Madagasikara ny fitoniana ara-politika ary azo hanaporofoana izany ny fanamarihana nataon’ny iraky ny vondrona afrikanina tonga teto amintsika farany teo. Na nahazo maro an’isa tao amin’ny antenimierandoholona sy nahatafiditra ben’ny tanàna maro indrindra aza ny HVM dia tsy mbola marim-pototra hatramin’izao ary tsy nahavita ilay fampihavanam-pirenena efa nekena fa hatao. Eo indrindra angamba no mahatonga ny olana mitranga foana isaky ny mihetsika.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.