Hatrany amin’ny Maputo voalohany dia efa voaresaka ny famotsoran-keloka sy ny fodian’ireo sesitany politika ary ny sata manokana ho an’ireo filoham-pirenena teo aloha.
Efa naroson’ny mpanelanelana tamin’izany fotoana ny fahafahan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mody eto Madagasikara. Niteraka adihevitra be tamin’izany fotoana moa ilay hoe : afaka mody izy rehefa feno ny fepetra.
Dika vilana
Samy nanana ny fandikany an’io ny tsirairay avy. Hatramin’izao tsy tanteraka ilay izy. Tsy dia hoe ao anatina ady an-trano na fifamonoana anefa ny eto Madagasikara ary raha ny vahoaka tsotra no anontaniana dia tsy mampiraika azy izay mody na tsia fa ny fanatsarana ny fiainana andavanandrony no tena mibahana ao an-tsaina. Raha ny tena marina izany dia ny mpanao politika sasany sy ny frantsay no tena mitsivalana amin’ny fodian’i Marc Ravalomanana eto. Efa niova anefa ny zava-drehetra taorian’ny nisehoan’ny «ni…ni», ka noho izany efa tokony hiova koa ny fomba fijery. Amin’ny olana tahaka izao dia fifanarahana politika, ary izay ihany no vahaolana, efa manana fifanarahana politika vita sonia isika dia ny tondrozotra io. Voalaza ao amin’ny andininy faha-20 fa afaka mody an-kalalahana eto Madagasikara ireo sesitany politika ka tafiditra ao anatin’izany Atoa Marc Ravalomanana. Ao koa ilay andininy faha-45 milaza fa mahaleotena tanteraka amin’ny asa ataony ny fitsarana malagasy ary ny SADC dia tsy miditra mihitsy amin’ny raharaham-pitsarana. Io ilay nampiteraka ny adihevitra tsy mety vita, satria nisy nandika avy hatrany hoe : afaka mody eto izany Atoa Marc Ravalomanana dia samborina ary tsaraina dia ampidirina any am-ponja.
Sata manokana
Taorian’ny fahavitan’ny diniky ny roa tonta tany Seychelles sy Afrika Atsimo dia namoaka toromarika indray ny SADC fa omena famotsoran-keloka Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ary tokony hapetraka mazava koa ny sata manokana ho amin’ireo filoha teo aloha. Io sata, tokony holanian’ny parlemanta io dia manome tombontsoa manokana azy ireo ary miaro azy ireo amin’ny raharaham-pitsarana. Rehefa mihatra kosa anefa izy io dia tsy mahazo manolotena na atolotra ho kandida intsony ireo filoha teo aloha ireo. Efa mazava ny resaka fa ampitoviana ireo filoha teo aloha, tafiditra ao anatin’io i Andry Rajoelina ary samy tsy henjehina eny amin’ny fitsarana. Tsy resaka tsy matimanota velively io fa fandraisana fepetra, fanaovana fifanarahana politika tokony hoeken’ny rehetra mba hampilamina sy hampiravona ny disadisa rehetra nisy sy mety mbola hitranga. Mba hanafoanana ihany koa ilay kolontsain’ny valifaty, ka tsy hoe izay mahazo fahefana dia hanagadra, ary izay tsy eo amin’ny fitondrana dia any am-ponja na mitsoaka any ivelany foana. Raha tena hametraka ny fitoniana sy hihavana marina isika dia tsy tokony hisy olana ny fampiharana azy, fa raha mbola hanohy ny fifandirana sy fifandrafiana dia afaka misafidy ny hifanenjika sy hifanagadra, ka samy miandry ny anjarany izany. Tsy misy marimarita iraisana mahafapo ny an-daniny sy ny an-kilany izany, fa rehefa hoe mifanaraka mba hampilamina ny resaka dia samy mandefitra, eny fa na dia marary aza izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.