Mankasitraka tanteraka ary misaotra ny fiarahamonim-pirenena tamin’ny hevitr’izy ireo nampihaona ny mpisehatra eo amin’ny politika mba handinika ny momba ny lalàm-pifidianana Atoa Marc Ravalomanana.
Tena midera ny fahalalana sy ny fahendrena ary ny paikady noeritreretin’ny fiarahamonim-pirenena hiatrehana ny fifidianana mba hampanjakana ny demokrasia aho , hoy izy. Nisy ventiny ny dinika natao teny amin’ny Colbert raha oharina tamin’ilay natao teny amin’ny Carlton, izay nokarakarain’ny governemanta, hoy izy. Vao miha zava-dehibe ny programan’ireo fiarahamonim-pirenena hitondra am-bavaka ny asa natao sy mbola hatao satria faniriana tokoa ny an’ny olombelona fa an’Andriamanitra irery ihany ny fanapahana. Mbola hisy moa ny atrikasa mandritra ny 3 andro hamaranana tanteraka ity fakan-kevitra manodidina ny fifidianana nataon’ny fiarahamonim-pirenena ity. Miantso ny rehetra hanohana sy handray anjara mavitrika amin’ny tohin’ny hetsika i Marc . Zava-dehibe ny lalàm-pifidianana eken’ny rehetra no tonga eny amin’ny parlemanta sy holaniana avy eo satria izay no antoky ny fitoniana. Mazava be fa nanaiky nihaino ny hetsika tahaka izao ny governemanta matoa nilaza fa mbola hisy ny fanitsiana atao amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana hoy izy. Fa etsy an-kilan’izay dia hisy ny hetsika goavana hotanterahan’ny antoko Tiako i Madagasikara ny alatsinainy 11 desambra izao amin’ny alalan’ny fampivoriana ireo ben’ny tanàna TIM rehetra manerana ny nosy. Hetsika atao eny Ilafy ka hanomezan’ny filoha Ravalomanana ny toromarika sy izay tsara ho fantatra rehetra amin’ireo mpiara-dia aminy ny amin’ny fiatrehana ny fiainam-pirenena sy ny fifidianana ho avy. Haka fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana ny TIM ary efa ela no niomana ho amin’izany, manana vinam-piarahamonina, manana fandaharan’asa mazava hampandrosoana ny isam-paritra sy ny firenena iray manontolo. Matanjakana amin’ny fifandraisana amin’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka. Tsy misy fahagagana fa tsy maintsy omanina ny fitantanana ny firenena. Efa vonona tanteraka amin’izany ny Tiako i Madagasikara tarihan’i Marc Ravalomanana.Hisy ihany koa moa ny fety lehibe ho tanterahana eny amin’ny Magro Tanjombato ny talata 12 desambra ho fanamarihana ny tsingerintaona nahaterahan’i Marc Ravalomanana izay hanasany ireo olom-pirenena tsy an-kanavaka.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.