Fiainam-pirenena

Be kolikoly loatra, tena mila fanadiovana eto


  • Alakamisy 07 Aogositra 2025

Rehefa ho tonga vahiny dia lasa fomba amam-panao eto ny fanadiovana faobe,

dia lasa madio tokoa ny tanàna. Ireo sampandraharaham-panjakana sy minisitera isan-tsokajiny no tena manao azy ity. Ny manahirana anefa avy eo dia miverina maloto ihany ny tanàna rehefa vita ny fivoriana, rehefa lasa ireo vahiny. Izay tokoa angamba ilay hoe mihaingo ambony tsokoko, arak’ilay fitenenana.
KOLIKOLY
Iny eo ihany fa rehefa alalinina ny zava-misy dia tena mila fanadiovana tokoa i Madagasikara, ilay firenena anisan’ny mahantra indrindra eto ambonin’ny tany. Tena ambony ny tahan’ny kolikoly eto, tsolotra etsy sy eroa, efa tsy menatra intsony mihitsy ny olona mitaky vola tsotra izao, satria hoe mila mametraka kely. Raha niafinkafina taloha ny fanolorana bola ireo zandary sy polisy mpandamina ny fifamoivoizana eny an-dalambe eny, ankehitriny kosa dia tena atao ankarihary. Ary raha sanatria tsy manome ny mpamily na ny resevera dia manao vava be ry mpitandro filaminana, misy manompa mihitsy aza. Moa ve tsy fantatr’ireo lehibe ao amin’ny polisim-pirenena sy zandarimariam-pirenena mihitsy ny fisian’izany ?
FAHEFANA MAMBOTRY VAHOAKA
Ny fanaovana taratasy any anaty birao, dia tena mampikaikaika olona, fa sady efa tara fidirana, mbola mody aloha ihany ireo tompon’andraikitra sasany. Ny avonavona sy ny kitakita tsy tenenina intsony, mila fiaraha-miasa kely hono raha tiana ho vita aloha ny taratasy.Manome volanodikan’izay. Ny sehatry ny fitsaboana dia tena zava-doza, olona marary , tsy salama matoa mamonjy hopitaly fa dia eee…ny fanontaniana mipetraka voalohany dia hoe : fa iza no miaraka amin’io ? manam-bola ve aloha ianareo ? Tezitra anefa avy eo ireo mpiasan’ny fahasalamana rehefa kianin’ny olona sy hanaovana ampamoaka, lazaina fa mamoaka vaovao diso. Ny fampianarana sy fanabeazana, dia tahaka ilay fanadiovana nambara tery ambony : lasa lamaody ny « fuite de sujet », tsy tahotra tsy henatra dia misy olona manao fanambarana anaty facebook hoe misy laza adina tahaka izao sy izao aty ka miditra MP izay mila. Mitambatra ao ny hafetsifetsena , halatra sy fisolokiana. Vao farany teo ilay raharaha Boeing lasa any Iran, manala baraka firenena, resaka afera maizina sy kolikoly avo lenta. Ny any amin’ny sehatry ny politika moa dia tena miteny ny vola, lasa ny mpanambola no mahazo toerana sy manambaka vahoaka. Kiantrano an-trano mampihemotra no misy fa tsy paikadim-pampandrosoana, ifandrombahana ilay fakana seza sy fahefana ary tena maro no mampiasa vola. Mitady ho lasa angano sisa izany hoe fitiavan-tanindrazana sy fanasoavana ny vahoaka izay eto. Zava-doza ny vokatr’izany rehetra izany fa tena miha mahantra ny firenena,sahirana mandava-taona ny ankamaroan’ny malagasy, maro no kivy sy mamoy fo. Mila fanadiovana ny firenena fa miaina anaty loto sy haizina loatra. Ataon’ny olona resaka ny malagasy hoe sasatry ny mangataka sy mitrosa fa tsy mety tafavoaka mihitsy.Mila fanadiovana raha tiana handroso sy hivoatra.
RTT
Sary fanehoana 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT