Politique

Fiainam-pirenena Azo atao tsara ny mihavana


  • Alatsinainy 29 Febroary 2016

Maro ihany ny gagagaga ny sabotsy teo raha nahita teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, mpanao politika manana fomba fijery mifanohitra sy tena nifandramatra mihitsy aza hatramin’izay, hita niara-nipetraka sy niara-naka sary ary nifandom-bera.

Samy namaly ny antson’ny sendikan’ny artista ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ramatoa vadiny sy ry zareo avy amin’ny vondrona Mapar nahitana an’ireo lohandohan’ny mpisorona toa an’i Augustin Andriamananoro, Pierre Houlder, Naivo Raholdina, ny kolonely Lylison de René. Tazana teny Mahasina ihany koa i Lalatiana Rakotondrazafy mpitarika ny Freedom ary kandida nifaninana tamin’i Lalao Ravalomanana tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna ary nijoro ho mpanohitra ao amin’ny filankevitra monisipaly. Tsara homarihana fa mialoha izao teny Mahamasina izao dia efa nihaona tamin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina teny an-tranony teny Ambohimangakely sy tamin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana teny Analakely ireo artista ireto. Tsy misy mahalala izay ao am-po sy ao an-tsain’ny tsirairay moa fa na izany aza tazana teny amin’ny endriky ny rehetra ny sabotsy teo ny fahavononana hifampiresaka ary nifanaja ny rehetra. Sarotsarotra ihany mantsy ny naminavina, herintaona lasa izay fa hoe afaka hiresaka sy hifanatri-tava tsara am-pilaminana sy am-pitoniana amin-dry kolonely Lylison, Pierre Houlder, Lalatiana Rakotondrazafy izany Marc Ravalomanana izany. Ity farany izay efa hatry ny ela no nilaza fa ilaina ny fampihavanana ary tena vonona ho amin’izany izy, ary raha asiana raharaham-pitsarana tsy mitanila ihany koa dia mbola vonona hiatrika izy. Vonona sy sahy aho, hoy i Marc Ravalomanana matoa niverina eto Madagasikara satria ny tombontsoa iombonana no jerena.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT