Politique

Fiainam-pirenena Ataon’ny PM takalon’aina


  • Alakamisy 03 Martsa 2016

« Tsy misy zavatra mandeha ! Governemanta tsy mahavita azy ! Ahoana ny sosialim-bahoaka ?». Tsy misy afa-tsy izany no resaka eny anivon’ny fiarahamonina amin’izao fotoana. Efa hita izao fa tsy tafavoaka intsony kanefa mbola mifikitra mafy eo amin’ny sezany ihany ny praiminisitra Jean Ravelonarivo ary tsy mieritreritra ny hiala izany mihitsy.

Mitabataba noho ny tsy fandehanan’ny raharaham-panjakana avokoa ny rehetra, dia ny Vahoaka, ny fiarahamonim-pirenena, ny mpandraharaha, ny vondrona iraisam-pirenena, ny mpamatsy vola vahiny... Noheverina fa hanana fahendrena hametra-pialana manolona ireny fanehoan-kevitra sy fanakianana maro samy hafa ireny ny praiminisitra kanefa dia izao lasa manao takalon’aina ny fiainam-bahoaka izao.

Efa mazava ny hevitry ny mpamatsy vola fa miankina amin’ny ezaka ataon’ny governemanta manoloana ireo fepetra maro no hanafaingana na tsia ny fivoahan’ny fanampiana ho an’i Madagasikara. Ny kere any Atsimo aza moa tsy hitan’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo akory ny fisiany; tsy ambara intsony ny fitontongan’ny fandriampahalemana an-drenivohitra sy ambanivohitra, toraka izany ny fahapotehan’ny fotodrafitrasa saika manerana ny Nosy raha tsy hiresaka afa-tsy ny lalana fotsiny ihany, ny firongatry ny kolikoly avo lenta, ny trafikana andramena, sns.

Voatery hiandry ny sitrapon’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo sy ny fitiavan-tsezany eto ve izany ny Vahoaka ? Mba tsy rariny kosa raha ny fiainam-pirenena iray manontolo no lasa takalon’aina tahaka izao. Soa ihany aza fa tsy nisy andro ratsy sy rivodoza mahery tahaka ny isan-taona tamin’ity indray mitoraka ity raha tsy izany angamba loza tsy roa aman-tany no nahazo ny Vahoaka noho izao tsy fahombiazan’ny governemanta Ravelonarivo izao. Tokony handini-tena ihany ny lehiben’i Mahazoarivo. Efa latsaka an-katerena tanteraka ny vahoaka Malagasy 20 tapitrisa. Etsy an-danin’izany ny olana ara-pahasalamana tsy takona afenina intsony eo amin’ny praiminisitra. Marina tokoa ny voalazan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina nandritra ny fiarahabana nahatratra ny taona farany teo izay nitondrany fanamarihana momba ilay tatitra lava be natolotry ny praiminisitra ny tenany ka nilazany fa tsy tonga eny amin’ny vahoaka akory ireo voalaza fa zava-bitan’ny governemanta ireo».


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT