Politique

Fiainam-pirenena Ambony ambany !


  • Alakamisy 01 Septambra 2011

Dia mbola misy sahy miteny ihany ve fa mandeha tsara araka ny tokony ho izy ny zavatra eto amin’ity firenena ity ?

 Asan-jiolahy, vono olona etsy sy eroa, halatra taova, olana tsy mety voavaha fa miverina isaky ny roa volana ny resa-bola eny amin’ny oniversite, hatramin’izao tsy voavaha ny resaka andramena ary mitady hivadika fifanandrinana eto amin’ny fanjakana sy ny mpandraharaha any amin’ny faritry SAVA ilay izy. Izao milaza indray ny CENI fa tokony ho efa navoaka omaly ny datim-pifidianana raha ny lafiny teknika sy lalàna madiodio no jerena. Any anatin’ireo andrim-panjakana maro samihafa mijoro amin’izany mbola misy fifanenjehana ihany. Maro ireo minisitra tsy mitovy hevitra na dia samy ao anaty governemanta aza. Ny resaka Tsena Mora moa nandalo dia niserana fa Trano Mora indray izao no malaza.

Nahazo avara-patana ny mompera Pedro, saingy gidragidra kosa ny fanorenana izany any Mahajanga ary mampifanolana ny samy manampahefana. Ny foloalindahy ao anatin’izany rehetra izany dia mihazohazo tsy hita intsony hoe hanao inona marina ! Efa lamaody koa moa tato ho ato ilay hoe handray andraikitra, kanefa tsy hita akory izay mitranga avy eo fa vono vorona fotsiny angamba. Ireo fampanantenana maro isan-karazany nataon’i Andry Rajoelina moa dia aleo tsy resahana intsony satria hita fa tsy ho vitany, fa mba notenenina fotsiny angamba hambaboana ny fon’ny olona. Eritreretina hoe kely sy madinika ireny savorovoro isam-bolana eny amin’ny oniversite ireny fa ampy hanaratsy endrika ny fitondrana tetezamita, tahaka izany ihany koa ireo karazana fitakiana mipoitra etsy sy eroa, ary ny tsy fisian’ny vahaolana politika amin’ny krizy hatramin’izao. Matoa koa ny olona sahy mitaky tambin-karama dia mahita izy ireo fa manam-bola ny fanjakana ary miliba amin’ny volam-bahoaka ny mpitondra.

Ambara fa tsy misy lanjany sy tsy manam-pahefana intsony ireo filoha telo mirahalahy teo aloha, ny iray eto an-toerana ny roa any am-pitan-dranomasina, kanefa ny FAT manampahefana koa aza toa tsy mahavita na inona na inona fa manao politikan’ny famonoan’afo fotsiny miampy fandrahonana isaky ny mihetsika dia manao mampalahelo indray avy eo fa hoe misy mifofo ny aina. Ny azo hamintinana azy dia ny hoe : tsy misy zavatra mandeha araka ny tokony ho izy eto, gaboraraka no manjaka, ary hifaninanana izao ny fanararaotam-pahefana, ny vahoaka tsy mandady harona amin’io mitaitain-dava noho ny asan-jiolahy an-tsaha sy ambony latabatra. Ny fahantrana ateraky ny krizy koa efa mihatra any anaty vilany.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT