Politique

Fiainam-pirenena 20 andro hanova zavatra


  • Alatsinainy 08 Aprily 2013

Ny ankolafy Ravalomanana sisa no hany tsy nanolotra kandida amin’ireo vondrona politika heverina fa goavana eto Madagasikara amin’izao herinandro voalohany nisokafan’ny fandraisana ny dosien’ireo kandida ho filoha izao.

 Samy efa nanolotra na nanohana ireo kandida hitany fa mety aminy avokoa ireo antoko sy vondrona politika matetika hita amin’ny sehatra politika eto. Ny nivoaka farany izao dia ny an’ny Tanora Malagasy Vonona, izay nanome ny fitokisany ho an’ny PDS-n’Antananarivo Renivohitra Edgard Razafindravahy. Tsy mbola nandrenesam-peo ny amin’izay mety ho kandidany ny etsy amin’ny Magro satria hentitra ny toromarika fa raha tsy tafaverina an-tanindrazana Atoa Marc Ravalomanana dia tsy handray anjara amin’ny fifidianana ny ankolafy Ravalomanana. Ireo TIM nisintaka moa dia misavika izay olona heveriny fa mety hahavita azy satria tsy manana kandida matotra sy mahazaka olona izy ireo. Ny fijerin’ny mpanara-baovao azy anefa dia handringa ihany io fifidianana io raha sanatria tsy mpifaninana ao anatin’izany ny ankolafy Ravalomanana. Samy manana ny fomba fijeriny sy ny fahitany ny zava-mitranga moa ny tsirairay avy ka izay no mety maha-sarotra ny fikaroham-bahaolana.

Afaka 20 andro dia hikatona ny fandraisana ny dosien’ireo kandida ho filoha. Tsy fantatra izay zavatra mety hitranga tampoka, fa raha ny fahafantarana an’i Andry Rajoelina sy ireo ekipa manompo azy aloha dia tena sarotsarotra ihany ny inoana fa hanaiky ry zareo ireo fa hody eto ato anatin’ny 20 andro Atoa Marc Ravalomanana, izay mety hanova tanteraka ny tontolo politika, kanefa ny TGV dia efa nandrafitra paikady hiatrehana ny fifidianana, dieny izao. Koa midika ary ve izany fa tsy hanana kandida ny ankolafy Ravalomanana ? Dia ahoana no mety ho tohin’ny fiainam-pirenena eto ? Raha atao hoe tafiditra eto indray i Marc Ravalomanana ato anatin’ny tapa-bolana, dia ahoana indray no mety ho fitrangan’ny raharaha ? Tonga ve dia ho fantatra ny kandida dia hanatitra dosie ? Maro no maminavina fa efa nisy hatry ny ela, eny fa na dia tsy mbola nivoaka aza ny «ni…ni», ny kandidan’ny ankolafy Ravalomanana, saingy manana ny paikadiny manokana koa ry zareo. Tombantomban’ny maro ny hoe ny kandidan’ny TGV sy ny ankolafy Ravalomanana no hifanintsana amin’ny fihodinana faharoa, koa dia ho hita eo ny fizotry ny raharaha e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT