Politique

Fiahiana ara-tsosialy Very 5 taona vokatry ny krizy i Madagasikara


  • Zoma 23 Mey 2014

Tara 5 taona i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fiahiana ara-tsosialy. Firenena 56 te-hisongadina, ohatra, no afaka namolavola paikady nasionaly momba ny Fiarovana ara-tsosialy tao anatin’ny taona vitsivitsy.

 Voakasika manokana tamin’ity hetsika ity rahateo i Afrika nanomboka ny taona 2009 tamin’ny alalan’ilay drafitra politika sosialy nankatoavin’ny Vondrona Afrikanina. Mbola maherin’ny 80%-n’ny Malagasy mantsy no mahantra, araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena farany. 80% mahery ihany koa ny salan’isan’ny mpiasa Malagasy tsy manana fiahiana ara-tsosialy. Latsaky ny 20%-n’ireo zokiolona ihany no misitraka fisotroan-dronono. Ny antontan’isa Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy na Cnaps moa dia milaza fa ny 7%-n’ny mpiasa monja no voaaro ara-tsosialy.Vahaolana azo hamahana io toe-javatra io ny fananan’i Madagasikara politikam-pirenena momba ny fiarovana sosialy. Mieritreritra moa ny fitondrana Rajaonarimampianina fa lalana iray ahatongavana amin’izany ny fametrahana avy hatrany ny Tahiry fanampiana hiatrehana ireo tranga voajanahary eo am-piandrasana ny fananana ny politika nasionaly fiarovana ara-tsosialy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT