Politique

Fiadidiana ny Tanŕnan’Antananarivo Tsy hilefitra manoloana ireo tsy tan-dalŕna


  • Zoma 10 Jona 2016

Nitohy teny Analakely ny asa fandaminana sy fanadiovana tanŕna tanterahin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny alin’ny alarobia 8 Jona 2016.

 

 Nitarika ny ekipa ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna Jean Gabriel Harison Nanomboka tamin’ny 6 ora hariva teo amin’ny «Gastro Pizza» Analakely ny asa, nitohy teny Tsaralalana, Ambatomena, Antaninarenina ka nifarana teny Ambodifilao. Anisan’ny nosavaina ny taratasy fahazoan-dalana mivarotra amin’ny alina toy ny «Bouffe Mobile», ny mpivarotra toaka sy zava mahadomelina amoron-dalana, ireo matory an-tsisin-dalana. Teo koa ny fanesorana avy hatrany ireo kitranoantrano baoritra, ireo mpivarotra hani-masaka, ireo talantalana fivarotana sy ireo entan’ny mpivarotra amoron-dalana mitsitokotoko eny an-tsisin-dalana. Nojerena akaiky koa ny fahatomombanan’ireo fiarakaretsaka na ara-taratasy na ara-teknika sy ireo toeram-piantsonana voatokana (Parking reservé) efa lany daty. Manamafy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa tsy mbola namoaka fanomezan-dalana hampiasa «Parking reservé» hatreto. Ny Sampandraharaha misahana ny asa sosialin’ny Kaominina no mandray an-tanana ireo zaza amam-behivavy tsy manan-kialofana. Efa misy ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny mponina momba ny toerana handraisana azy ireny, eny Isotry, toby izay mahazaka olona 200 eo.

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT