Politique

Fiadidiana ny Repoblika Miha halan’ny olona ny talen’ny serasera


  • Alarobia 20 Novambra 2019

Toa tena miha halan'ny olona ny Talen'ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Rinah Rakotomanga. Masiaka firesaka any anaty facebook. Indraindray mifamaly aman'olona mihitsy. Efa toetra ve sa izay mihitsy ilay endrika serasera atao ?

 Jerena anefa ny pejin'ny filoha manokana fa milamina, milaza vaovao, tsy mandrangitra olona. Marina fa kaonty azy manokana io, saingy tsy azo hadinoina fa efa olona manana ny toerany (personnalité publique) izy. Io ilay hoe misy olona manodidina ny filoha manaratsy endrika azy sy ny fitondrany. Mila mahazaka fanehoan-kevitra ary safidiana tsara ny teny ambara na ny zavatra soratana satria efa tompon’andraikitra ambony anaty andrim-panjakana. Tokony ho modely fa tsy hoe mpikabary am-panambadiana ka hifandrombaka fitenenana sy maika hampanjaka ny heviny fotsiny.  “Fa angaha, hono, rehefa filoham-pirenena dia misy marary fo be ny sasany fa tsy tokony hihinana KFC, tsy tokony hankao akory ho nanjifa voalohany tao fa mofo gasy sy menakely sy mofo ankonjo ihany achafady ? Fady fandrosoana, fady zavatra tsara, fady zavatra tsy mena-mitaha amin'ny any ivelany, fady miaina anaty zavatra milamina madio fa ireny ilay “VOREBORETRA” ireny ihany no tokony ho mendrika antsika malagasy ve, hoy ny sasany ?”, hoy ny nambarany. Voretra ve izany ny orinasa Malagasy madinika ? Milaza ho maniry ary tena maniry sy mitady zavatra tsara sy madio ary avo lenta kokoa ho an'ny Malagasy rehetra ny tenany. Tsy voatery ho ao anatin'ny fahavoretrana (na toerana io na toetsaina) no miaina sy mandroso (mila misokatra ara-tsaina) fa azo atao avo lenta be ny toerana hivarotana sy hiasana ary iainana, hoy izy. Raha izany, mila vahana haingana ity olan’ny rano toa maloto miloko volom-boasary homena ny vahoaka ity mba hanan-danja sy mitombina kokoa ny tenin’ity olona ambony ity.Fa ambonin’izay na olona ambony sy manampahefana aza, mba mila lanjaalanjaina ihany ny teny avoaka sy ny zavatra soratana e !

Toky R

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT