Politique

FI.MA.PRO Manakiana ny fanambaran’ny praiminisitra Beriziky


  • Alarobia 07 Desambra 2011


 Kianin’ny FI.MA.PRO (Fikambanana Malagasy Pro-Ravalomanana) ny fanambarana nataon’ny praiministra Omer beriziky tamin’ny alatsinainy 5 desambra nilaza fa tsy mbola feno ny fepetra tokony hahafahan’ny filoha Marc Ravalomanana miverina an-tanindrazana. Aminay, hoy izy ireo, dia tsy misy intsony ny fepetra satria voalazan’ny dina afrikanina momba ny zon’olombelona fa mahazo miditra sy mivoaka an-kalalahana eo amin’ny tanindrazany ny olom-pirenena tsirairay.

Tsy vitan’izany, hoy ihany izy ireo, fa araka ny voasoratra ao amin’ny andininy faha-20 ao amin’ny sori-dalana natao sonia tamin’ny 17 septambra 2011 dia afaka mody sy misy fepetra ireo nanao sesitany ny teniny noho ny antony ara-politika, anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana. Araka ny andininy faha-30 ao amin’io sori-dalana io ihany dia voalaza fa foana avokoa ny rafitra sy ny sazy teo aloha raha vantany vao vita ny sonia. Noho izany dia mitaky tsy misy fepetra sy tsy misy hatakandro ny fampodiana ny filoha Marc Ravalomanana izay heverina, hoy izy ireo, fa antoky ny fitoniana ara-politika eto Madagasikara.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT