Politique

Fhleur de Madagascar Hatao vaindohan-draharaha ny fampivoarana ny vehivavy


  • Alarobia 20 Janoary 2016

Nifoha tamin’ny torimasony ny antoko politika Fhleur de Madagascar na ny « Femme et Homme pour la Liberté, l’Education, l’Union et le Redressement de Madagascar » rehefa tsy henoheno mihitsy nandritra izay 10 taona farany izay.

 Nanambara ny filoha mpanorina azy, ny Dr Alice Razafinakanga, fa mandrisika ny tsy maintsy handrsaisan’ny olom-pirenena rehetra miaraka andraikitra manoloana ny zava-misy ankehitriny. Araka izany dia mitondra ny anjara birikiny manaraka ny fitakian’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana  hampahaleotena ny vehivavy ara-pihariana ny Fhleur de Madagascar ka nanolotra « kits scolaires ho an’ny mpianatra eny anivon’ny Epp sasantsasany  eto an-drenivohitra sy fanampiana ara-tsakafo koa ho an’ireo zokiolona. Fa tetikasa hafa nambaran’i Dr Alice Razafinakanga tamin’ny firesadresahana taminy nivantana ny alatsinainy teo, teny Befelatanana, ny fampitomboana ny fampidiram-bola isam-batan’olona mba hampivoarana ny andriambavilanitra manerana ny nosy amin’ny ankapobeny. Mba hampanjariana izany indrindra no nananganan’ny Fhleur de Madagascar ny firohotana na « plateforme ravintsara » izay nampanara-penitra  ny famokarana an’ity hazo ity sy ny vokatra azo avy aminy rehetra.

Marihina fa najoro tamin’ny taona 1998 ny Fhleur de Madagascar mba hivondronan’ny olona tsara sitrapo lahy sy vavy vonona ny hampandroso ny firenena amin’ny ankapobeny. Nandray anjara tamin’ny fifidianana parlemantera teto amin’ny boriborintany 6 teto an-drenivohitra ity antoko ity raha vao herintaoana nitsanganany monja. Na dia tsy nahomby aza izy teo amin’ny fifidianana ho depiote natrehana dia nahatafiditra olona kosa tamin’ny fifidianana kaominaly tany Antsiranana sy tany Arivonimamo tamin’io taona 1999 io.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT