Politique

FFM vaovao Mpikambana 18, tendren’ny filoham-pirenena ny 6


  • Alarobia 24 Febroary 2016

Tsy tontosa hatramin’izao ny iraka nampanaovina ny fikambanana ofisialy misahana ny fampihavanana voalazan’ny andininy faha-168-n’ny Lalŕmpanorenana sy ny tondrozotra efa lasa lalŕna tamin’ny septambra 2011.

 

Vaovao farany heno ny fanoloran’ny komity manokana manampahaizana ilay volavolan-dalàna fanitsiana ny fananganana ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy tamin’ny filohan’ny Repoblika. Tsy fantatra hatreto ny tena vontoatiny saingy misy ihany ny tsilian-tsofina heno. Anisan’izany ny fampihenana ho 18 ny mpikambana handrafitra ny FFM. 3 isaky ny faritany izy io ka tendren’ny filoham-pirenena ny 6. Ahitana kaomisiona 3 ny FFM vaovao dia ny fahamarinana sy famelan-keloka, ny fanonerana sy fandoavana onitra ary ny vaomiera fananganana fanjakana. Miitatra hatramin’ny fiafaran’ny  tetezamita tamin’ny taona 2013 ny vanim-potoana hosahanin’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy fa tsy nifarana tamin’ny fotoana nanaovana sonia ny sori-dalana. Tompon’ny teny farany amin’ny famotsoran-keloka ihany koa ny vaomiera miaraka amin’ny tantsoroky ny Fitsarana tampony. Tsy tafiditra ao anatin’ny lisitr’ireo firenena hisitraka ny «Tahiry Firaisankina ho an’ny Fandriampahalemana» vatsian’ny Firenena mikambana moa i Madagasikara hatramin’ny taona 2015.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT