Politique

FFM Tsy mbola naharay fangatahana famotsoran-keloka


  • Sabotsy 16 Martsa 2013

Birao vonjimaika no mitantana ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy na FFM amin’izao mandrapitsangan’ny birao voafidin’ny besinimaro. Raha tsy misy ny fiovana dia misokatra manomboka anio ny fametrahana antontan-taratasy filatsahan-kofidiana filohan’ity andrimpanjakana ity ary maharitra hatramin’ny 25 martsa 2013 izany.

 Havoaka an-gazety sy haino amanjery ary koa haparitaka manerana ny renivohi-paritra ny masontsivana ara-môraly sy traikefa takiana amin’ireo manam-pikasana hilatsaka. Afaka mandray anjara avokoa ny olon-drehetra mahafeno ny fepetra rehefa ampy 50 taona. Torak’izany koa ireo mpikambana FFM 44 mianadahy. Momba ny resaka famotsoran-keloka dia nanazava ramatoa Soahavandrainy Pierrette, mpikambana FFM fa ireo izay tsy nahazo amnistia malalaka (amnistie de plein droit) teo anivon’ilay vaomiera manokana najoro ao amin’ny fitsarana tampony no manao fangatahana amin’ny FFM. “Manao fanadihadiana indray izahay ary alefa any amin’io vaomiera io ny valin’izany avy eo. Araka ny lalàna dia izy ihany no afaka mamoaka ny anaran’ireo olona mahazo amnistia”, hoy izy. Nampiany fa tsy mbola naharay taratasy fangatahana amnistia ny FFM hatramin’izao (omaly). Niaiky koa ireo mpikambana amin’ity andrimpanjakana ity fa tery dia tery ny fotoana ahafahany mandinika ny famotsoran-keloka noho ny fahataran’ny fanendrena ireo mpikambana.

Mila fitoniana

 Amin’ny 08 aprily izao no misokatra ny fametrahana filatsahan-kofidiana filoham-pirenena nefa mety misy amin’ireo manam-paniriana hirotsaka no miandrandra famotsoran-keloka vao afaka miroso amin’izany. Momba ny fampihavanana indray dia anatin’ny dingan’ny fiofanana sy fampiofanana anatiny ireo mpikambana izao mba hampitovy ny tadin-dokanga satria saropady loatra ny asa hiandraiketany. Ankoatra izay, rehefa tafatsangana ara-dalàna ny biraon’ny FFM vao afaka mamoaka drafitrasa momba ny fampihavanana ry zareo, hoy Randriamampionona Lalao, anisan’ny mpikambana ihany koa. Nilaza ny FFM fa mila fitoniana, filaminana ary fifamelana aloha vao miroso amin’ny fifidianana, izany hoe ny fampihavanana ny mpanao politika. Voasokajy ao anatin’ny asa maika io fa misy koa ny asa maharitra dia ny fampihavanana ny Malagasy samy Malagasy eo amin’ny lafiny ara-piarahamonina sy ara-toekarena ary ara-kolontsaina. Hisy mihitsy ny fitetezam-paritra izay kasaina hatao aorian’ny fifidianana, anisan’ny manana andraikitra amin’izany koa ny olom-pirenena rehetra, hoy izy.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT