Politique

FFM Olona telo no mampikatso azy


  • Sabotsy 23 Febroary 2013

Miteraka resabe ny nanendrena ireo mpikambana miisa 44 mandrafitra ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (FFM).

 Mihodinkodina be ihany ilay resaka ka aleo tonga dia tsorina eto fa olona telo no tena mahatonga ny olana tsy mety vita amin’ny fananganana azy ity, dia ny mpitandrina isany Ramino Paul sy Nestor Razafindramanitra ary Rtoa Lalao Randriamampionona. Tsy maharesy lahatra ny olona fotsiny hoe hahavita hampihavana izy ireo, ary hitan’ny olon-tsotra sy ny mpanara-baovao aza fa tena manana fironana politika izy ireo na tsy miteny aza. Efa samy niezaka nanao ny asa fampihavanana ny mpanao politika ireo olona telo ireo saingy tsy nahomby ary toa vao mainka aza nampitombo ny olana. Heverin’ny maro fa akaiky kokoa an’i Andry Rajoelina ny mpitandrina isany Ramino Paul sy Nestor Razafindramanitra, ity farany moa dia mpitandrina FJKM mbola am-perinasa ka izay vao mainka tsy ankasitrahan’ny maro ny hitoerany ao amin’ny FFM.

Tondroina ho olon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana kosa Rtoa Lalao Randriamampionona izay vadin’ny minisitry ny asa vaventy sy famantarana ny toetr’andro farany nandritra ny fitondrana Ravalomanana ka misy koa ny tsy matoky azy hoe hahavita an-tsakany sy an-davany ny asa fampihavanana eo anivon’ny FFM. Izy telo mianadahy ireo no tena miteraka adihevitra be, fa mbola misy koa ny olona hafa izay tena tsy maharesy lahatra ny maro ny nanendrena azy ao anatin’ity Filankevitry ny fampihavanana Malagasy ity. Ary ny tena mahatalanjona aza, omaly dia nanakiana mivantana ny fanendrena ny mpikambana FFM, nataon’ny filankevitry ny minisitra ny vovonan’ny firaisamonim-pirenena, izay tarihan-dRamatoa Lalao Randriamampionona. Ireo vondron’olona sy fikambanana manakiana ny FFM amin’izany mitombo isan’andro. Dia miverina mipetraka ny fanontaniana hoe : ahoana no hahazoana antoka fa hahavita an-tsakany sy an-davany ny asany ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy amin’izany olana rehetra izany ? Averina indray izany ve ny fisafidianana sy fanendrena ireo mpikambana ? Nahoana no tsy mahatsapa tena sy mba manetry tena ireo olona ao anatin’ny FFM ? Efa niavian’ny olana izy ireo fa mbola nanaiky notendrena ihany. Sarotra ny hino fa handeha araka ny tokony ho izy ny fampihavanana sy ny fanomezana ny famotsoran-keloka raha toa ka olona mifandray tendro amina ankolafy politika na manana firehana politika, na mankahala an-dRakoto na Rabe no mpikambana ao amin’ny FFM.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT