Nanofana ireo fiarahamonim-pirenena mpikambana ao amin’ny vondrona nasionaly Malagasy miaro ny zo maha olona ny filohany Rafolisisoa Hanitriaina ny faran’ny herinandro teo.
Fiofanana izay niompana tamin’ny fampahafantarana ny rehetra ny zo tokony hananan’ny tsirairay. Fiarahamonim-pirenena maro no nandray anjara tamin’izany izay nahitana mpikambana iray voafidy ao amin’ny Filankevitra Fampihavanana Malagasy na ny FFM. Nambaran’ny filohan’ny UNMDH tamin’izany ary fa maika ny famoahana ny didim-panjakana hahafahan’izy 44 voafidy ireo hiasa.
Ho an’ireo izay milaza fa tsy mankasitraka sy miteny fa nisy kolikoly ny fifidianana hoy ihany ity tompon’andraikitra ity dia tokony hiala haingana izy ary hasolo ireo efa nandalo ny fanadihadiana ara-moraly hialana amin’ny disadisa mety hitranga izay ahiana hiteraka zavatra hafa indray. Fampihavanana mantsy no hatao hoy ihany Rafolisisoa ka tsy tokony hasiana olana mba hahafahana miroso haingana amin’ny fifidianana izay efa takian’ny maro tokoa ny hanatanterahana azy ankehitriny. Na izany aza anefa tsara ny manamarika fa mbola betsaka ireo manakiana ny fomba nifidianana azy 44 mianadahy mpikambana ao amin’ny FFM ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.