Jeneraly no filohan’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy na FFM, dia Rabotoarison Charles Sylvain. Taorian’i Dolin Rasolosoa (CST) sy Ranto Rabarisoa (CMDN) izany dia Rabotoarison no jeneraly fahatelo filohan’andrim-panjakana ao anatin’izao tetezamita izao.
Voafidy omaly taorian’ny latsabato in-droa miantoana natao tetsy amin’ny Cnaps 67ha, misy ny birao vonjimaikan’ny FFM, izy. Nisy 38, tsiahivina ihany, ireo mpifaninana nandefa antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho amin’io toerana io, 20 tamin’ireo ihany anefa no nahafeno fepetra, ka efa mpikambana FFM ny 4. Tsy nahita marimaritra niraisana ireo mpikambana FFM ka niroso tamin’ny latsabato niafina, ary dia jeneraly zandary efa misotro ronono no nahazo ny isam-bato be indrindra. 25 no vato azon-dRabotoarison Charles Sylvain, raha 18 ny an-dRamanevy Mara Edouard, mpifaninana taminy, izay mpikambana FFM. 43 ireo nandatsa-bato, nisy mpikambana iray tsy tonga noho ny antony ara-pahasalamana. Rahampitso no hanao ny fianianany etsy amin’ny Fitsarana tampony Anosy ity filoha vaovao ity, ary dia hiasa avy hatrany.
Ankoatra ny filoha dia hisy filoha lefitra enina sy mpampakateny roa no handrafitra ny biraon’ny FFM, izay hiasa mandritra ny telo taona. 69 taona ankehitriny Rabotoarison Charles Sylvain. Nitondra ny galona “Général de division” teo anivon’ny zandarimariam-pirenena izy nialoha ny nandehanany nisotro ronono. Minisitry ny Atitany tamin’ny tetezamita 1991 sy tamin’ny fitondrana Ratsiraka 1996-1997 izy, avy eo voatendry ho komandin’ny zandarimariam-pirenena (1997-2002). Tamin’ny fitondrana Ravalomanana indray dia voatendry ho minisitry ny tontolo iainana, tao amin’ny governemanta Jacques Sylla nijoro 18 jona 2002 ny jeneraly Rabotoarison Charles Sylvain. Efa Senatera ihany koa izy, notendren’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny 2008. Talohan’ity FFM ity dia anisan’ireo kandida fito nisafidianana ho praiminisitry ny marimaritra iraisana ity zanak’i Manakara ity taorian’ny fahavitan’ny sonia ny tondrozotra tamin’ny 2011. Raha ny vokatry ny latsa-bato, izay tsy nahazoany ny roa ampahatelony takiana, dia tsy ho mora ny asa miandry an’ity jeneraly ity. Re siosio omaly koa fa misy mpikambana FFM tsy mankasitraka ny nifidianana azy amin’io toerana io.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.