Politique

FFM Ho fantatra anio ny Filohany


  • Talata 09 Aprily 2013

Anio talata 09 aprily no hifidianana ny filohan’ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy na ny FFM, araka ny fifandaminana anatin’ity rafitra ity dia mikaroka ny marimaritra iraisana ny amin’izay hotendrena ho filoha tamin’ireo kandida nahafeno ny fepetra ny mpikambana 44.

 Rehefa tsy hita ny marimaritra iraisana, izany hoe tsy miray hevitra amin’ny fanendrena kandida iray ny besinimaro dia miroso amin’ny latsa-bato miafina amin’izay, ka izay mahazo ny vato maro indrindra eo no lany. Raha ny resaka nandeha hatry ny faran’ny herinandro teo dia anisan’ireo voalaza fa «favori» amin’ny fifidianana filohan’ny FFM ny jeneraly Rabotoarison Charles Sylvain sy Rtoa Lalao Randriamampionona. Izay no resaka mandeha fa tsy fantatra izay mbola mety ho fiovan-javatra tampoka eo.

Minisitry ny tontolo iainana nandritra ny fitondrana Ravalomanana no tena nahatadidiavan’ny maro ny jeneraly Rabotoarison Charles, ary avy eo izy dia voatendry ho loholona tao anatin’ny anjara fanendren’ny filoha Marc Ravalomanana. Tsy dia re feo firy izy nandritra ny krizy, fa kosa raha nandeha ny resaka ny amin’ny hananganana rafitra hampihavana dia efa voatonontonona tamin’izany ny anarany, anisan’ireo kandida ho praiminisitra taorian’ny fanasoniavana ny tondrozotra ihany koa izy. Rtoa Lalao Randriamampionona kosa dia olon’ny firaisamonim-pirenena, tsy misy izay tsy mahalala azy ao amn’io sehatra io, indrindra fa nandritra izao fitondrana tetezamita izao. Tombantombana ihany izany rehetra izany, fa mety hisy ny fiovana tampoka, tsy ilaozan’ny misy lava tanana sy baiko midina ihany koa ny fanendrena ny ho filohan’ny FFM, ka asa izay ho fivoakany eo amin’ity anio ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT