Politique

FFM Hampiady fa tsy hampihavana ?


  • Alarobia 19 Septambra 2012

Goavana sady mafonja ny andraikitra hosahanin'ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na FFM, satria izy no hanatanteraka ny fampihavanam-pirenena, ny fandinihana ireo olona omena famotsoran-keloka ary ny fametrahana ny fitoniana eto amin'ny tany sy ny fanjakana.

 Mialoha ny fifidianana no tokony hahavitan'izany rehetra izany. Ny mampatahotra anefa, dia misy ny tsy fitovian-kevitra sahady eo amin'ilay komity mpanomana ny fananganana ny FFM. Efa anisan'ireo naneho ny ahiahiny amin'ny fomba fisafidianana ireo mpikambana 44 ao amin'ny FFM, ohatra, Rasolo André avy amin'ny CNOSC. Hita fa efa tsy fahamatorana eo amin'ny fomba fiasa sahady koa ny fampihemorana ny daty hanaterana ny antontan-taratasy ho an'ireo kandida. Ary fahatelo farany dia tsy maharesy lahatra ny maro ireo mpikambana ao anatin'ilay komity mpanomana ny fananganana ny FFM, satria ny ankamaroan'izy ireo dia efa nikarakara ilay sarintsarina fihaonambem-pirenena nataon'ny ankolafy Rajoelina tamin’ny 2010. Fihetsiketsehana be tamin'ireny fotoana ireny teny Ivato teny, nambara fa voasolo tena ny Malagasy rehetra. Iaraha-mahita tsara anefa izao fa tsy nisy vokany tena azo tsapain-tanana izany fihaonambem-pirenena izany, vao mainka mifandrafy sy mifamono ny Gasy, porofo io zava-mitranga any atsimo io.

Ankoatra izay dia misy amin'ireo lohandohan'ny mpisorona ao amin'ity komity mpikarakara ity no hita fa tena manana fironana politika mazava dia mazava ary tena hita hoe miandany amin'ny filohan'ny tetezamita tsotra izao. Tsara homarihina ihany koa fa tsy nahavita nampihavana ny mpanao politika tao anatin'ny roa taona ny fiarahamonim-pirenena, izao anefa dia ireo olon'ny fiarahamonim-pirenena ireo no hoe hisafidy indray izay ho mpikambana ao anatin'ilay filankevitry ny fampihavanana malagasy; koa izany ve tsy tena fampiesonana ny Malagay fotsiny ? Manaraka izany, resahana foana ny hoe fampihavanam-pirenena kanefa mandeha ihany ny fingampingana samihafa, tahaka ny fanakanana ny fiverenan'ny filoha teo aloha eto Madagasikara; izy izay fantatry ny mpitondra tetezamita tsara fa mbola tena manana vahoaka manohana azy.

Ka ahoana moa no inoana fa handeha araka ny tokony ho izy ny fampihavanana raha mibaribary be tahaka izany ny fanilihana, no sady toa manaiky io fanilihana io ireo izay ambara fa hikarakara ny fampihavanana ? Efa niaraha-nahita tamin'ny fihaonambem-pirenena fa nisy ny kiantranoantrano, dia iny niaraha-nahita iny ny tohiny fa peta-toko ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin'ny 17 novambra 2010 nandaniana ilay lalàmpanorenan'ny Repoblika faha-4, ary tsy namaha ny krizy mihitsy ny nahavitan'ilay izy. Ka eo no mampanahy ny maro hoe sao lahy ka sanatria ho lasa filankevitry ny fampiadiana ilay FFM fa tsy filankevitry ny fampihavanana ? Raha izao fiaingany izao dia tsy milamina mihitsy e ! 

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT