Politique

FFKM sy SADC Samy haneho ny heviny anio


  • Alakamisy 15 Martsa 2012

Hanankarem-baovao ity andron’ny alakamisy 15 martsa ity. Andrasana izay ho fanambarana hataon’ny FFKM etsy Ambatovinaky, misy ny foibeny.

 Hiverina an-tsehatra hanao fanelanelanana hamahana izao krizy izao izy ireo sa hamela izany ho an’ny SADC araka ny efa misy amin’izao fotoana ? Andrasana amin’ity anio ity, etsy amin’ny Colbert Antaninarenina, ihany koa ny ho votoatin’ilay volavolan-dalàna mikasika ny famotsoran-keloka ahatongavan’ny iraka mafonja avy amin’ny Troika-SADC eto hatramin’ny alahady 11 martsa teo. Henjana ny adihevitra sy ny fifandresen-dahatra hatry ny omaly etsy Antaninarenina mikasika azy ity. Navorin’i Marius Fransman, lehiben’ny iraky ny Troika-SADC niaraka ireo mpanao sonia ny sori-dalana, nampahafantarana azy ireo ny asa atao sy ny endrikendriky ny zavatra efa vita mikasika ny aministia io.

Ao anatin’izany no ahatsapana fa mandeha ihany ny paipaikan’ny FAT manao izay hampanekena izay efa novolavolainy. Tsy manaiky mora izany koa ny mpanohitra, indrindra ny ankolafy Ravalomanana, izay mametraka mazava, fa tokony horaisina avokoa ny tolokevitra sy fanamarihana avy amin’ny ankolafy samihafa. Ankoatra izay dia nametraka foto-kevitra lehibe ny ankolafy Ravalomanana, fa tsy raharaham-pitsarana velively no handaminana ny olana politika misy amin’izao fotoana. Efa misy ny tondrozotra niarahan’ny rehetra nanaiky sy natao sonia. Mazava ny voalazan’ny andininy faha-16 ao dia iny no ampiharina.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT