Politique

FFKM Manjaka eto ny kolikoly


  • Zoma 16 Desambra 2016

Hentitra ny fanambaran’ny FFKM izay nivory tany Toamasina ny faramparan’ny volana novambra lasa teo manoloana ny raharaham-piangonana sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny.

Hentitra ny fanambaran’ny FFKM izay nivory tany Toamasina ny faramparan’ny volana novambra lasa teo manoloana ny raharaham-piangonana sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Niantso ny mpitondra fanjakana mba hanao ezaka bebe kokoa amin’ny fitandroana ny aina sy ny fampiharana ny lalàna ho an’ny olon-drehetra ary ny fiarovana ny harem-pirenena mba tsy ho viravirain’olom-bitsy ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara. Mila hamafisina ihany koa, hoy hatrany ny fanambaran’ny FFKM ny fiarovana sy fanaraha-maso ny sisin-tany ka ho sarotiny amin’ny fidirana sy fipetrahan’ireo vahiny tsy ara-dalàna eto Madagasikara ny manampahefana. Mahitsy ny tenin’ny FFKM : manjaka amin’ny sehatra rehetra ny kolikoly, mampiahiahy ny tsy fisian’ny mangarahara amin’ny fitantanana ireo vola azon’i Madagasikara avy any ivelany, misy ny gaboraraka ary tsy tsapa ny fiantraikan’izany mivantana amin’ny fiainam-bahoaka. Mahatsapa ny FFKM, araka ny fanambarana hatrany fa tsy voahaja ny soatoavina ara-demokratika ary tsy afaka miteny an-kalalahana intsony ny vahoaka sy ny mpampita vaovao. Miaina ao anatin’ny fahantrana tanteraka ny sarambabem-bahoaka, hoy ny FFKM ary mibaribary ny fisian’ny elanelana eo amin’ny mpanefoefo sy ny mahantra. Voatsindrona tato anatin’ny fanambarana ihany koa ny mpitandro filamiana izay toa miha ratsy fifandraisana amin’ny vahoaka, hoy ny FFKM. Lasa vato misakana amin’ny fametrahana fiarahamonina mirindra eto ny tsy fanohizana ny fampihavanam-pirenena araka ilay 4F (Fieken-keloka, Fibebahana, Fahamarinana, Fihavanana) raha ny hevitry ny FFKM. Toa manamafy sy manamarina ny zavatra mampimenomenona ny ankamaroan’ny Malagasy amin’izao fotoana ity fanambaran’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara ity, ka asa na mba hahay hihaino ihany ny mpitondra na hanohy hatrany ny bemarenina fanaony.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT