Politique

FFKM Manitsoka an-dRajoelina sy Beriziky


  • Zoma 12 Jolay 2013

Niala tamin’ny fahanginany ny FFKM manoloana ireo sahoan-dresaka nandeha. Nanao fanambarana ireo raiamandrenim-piangonana efatra mirahalahy omaly, manamafy ny fahavononan’izy ireo hanohy ny asa fampihavanana efa natombony.

Nandiso ireo vaovao mivoaka milaza fa manomana fanendrena Praiminisitra vaovao na tompon’andraikitra ara-panjakana ny FFKM amin’izao fotoana izao. “Tsy mbola nisy fanapahan-kevitra noraisiny mikasika izany ary tsy andraikiny rahateo izany”, hoy ny fanambarana. Tao anatin’izany koa no nanamafisan’ny FFKM fa efa nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra telo voalohany amin’ny fitandroana ny filaminana izy ireo. Nilaza ireto farany fa “mpandray baiko avy amin’ny tomponandraiki-panjakana ambony sivily ary mpanatanteraka fotsiny ihany”. Noho izany dia andraikitry ny Filohan’ny tetezamita sy ny Praiminisitra ny fanomezana baiko ny miaramila fa tsy anjaran’ny FFKM. Namaky ny fanambarana ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona (EEM) notronin’ny Arsevekan’Antananarivo Mgr Razanakolona Odon (EKAR) sy ny solontenan’ny Dr Rakoto Endor Modeste (FLM) sy Rasendrahasina Lala Haja, mpitandrina (FJKM) ireto farany izay samy tsy eto an-toerana.

Nangonin’i JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT