Politique

FFKM - Hoy izy ireo


  • Alatsinainy 11 Jona 2012


 Pr Zafy Albert : “Ny zava-dehibe amintsika izao dia ny fampihavanana. Heveriko fa dia hiaraka hirotsaka amin’izay ny Malagasy rehetra hiaraka hanao ny fampihavanana miaraka amin’ireo filoham-piangonana avokoa”.

Dolin Rasolosoa : “Ny azo ambara aloha dia misaotra an’Andriamanitra satria mandray ny andraikiny ry zareo Raiamandreny am-panahy, izay ataoko fa ambony indrindra raha eo amin’ny fijerin’olombelona sy firenena no jerena. Manana fomba fiasa ry zareo, nefa enga anie tsy ho ela fa hampiharina amin’izay ny tapaka satria efa fadiranovana ny vahoaka”.

Ange Andrianarisoa : “Naheno ny toritenin’ny raiamandreny mpitandrina isika teo dia nifototra indrindra amin’ny hoe : olombelona mihavana amin’Andriamanitra. I Jesoa nalefany taty mba hampihavana antsika, izany hoe ho modely izany ho antsika ahafahantsika mahay mihavana. Ka ny fihaonana sy fampidinihana dia tsy maintsy misy fihavanana ary izay moa no efa tenenin’ny Amiraly Ratsiraka hoe : tsara ny mba hisiantsika rehetra mifampiresaka mifampidinika ny zavatra atao dia mba hifanekena dia tsy ho sahirana. Taloha isika nandeha irery dia sahirana fa izao efa misy misy fifankatiavana eo amin’ny samy Malagasy dia handroso tsara ny zavatra rehetra”.

Manandafy Rakotonirina : “Zava-dehibe ny androany dia ho hita eo ny tohiny. Mety tsara amin’ny mpanao politika, misy handrosoantsika amin’ny fifandaminana iny “!

Nangonin’i Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT