Fe-potoam-piasan’ny Ben’ny tanŕna in-telo izao no vitan’i Fety Georges, Ben’ny tanŕna am-perinasa ao Ampasimbe Onibe. Izy no mamarana ny Faritra Atsinanana amin’ny ilany avaratra, ka ny rano Fanifarany izay misy ny an’Andrianambo no manasaraka ny Faritra Analanjirofo sy ny Faritra Atsinanana. Nisy ny resaka fohy nifanaovan’ny Tia Tanindrazana taminy.
Tia Tanindrazana (TT) : 15 taona izay no naha Ben’ny tanàna anao, inona no azonao ambara nandritra izay ?
Fety Georges : Tsy mora ny asa natao tao anatin’izay 15 taona
TT : Nanao ahoana ny nahazoanareo famatsiam-bola hanamboarana tohodrano hahazoana herinaratra ity?
Fety Georges : Tsy nampoizina aloha ny fahazoana azy io. Nisy tolo-bidy navoakan’ny ministeran’ny angovo nampahafantarina anay Ben’ny tanàna ato amin’ny Faritra Atsinanana mikasika ny fanamboarana herinaratra amin’ny alalan’ny tohodrano. Vao nahita azy io ny tenako dia niezaka niara-niasa tamina teknisianina maromaro, satria manana tohodrano maromaro ny Fokontany ao anatin’ny Kaominina. Dia naroso ny fangatahana ny taona 2008, dia izao nivaly izao ankehitriny. Nanohana betsaka anay koa ny teknisianina sy manampahaizan’ny fikambanana rHYviere sy ny ADER, dia tsy nampanano sarotra ny zava-drehetra. Nanampy betsaka ihany koa ilay fanofanana fahaiza-mitarika teny Iavoloaha ny taona 2007 nomena ireo Ben’ny tanàna manerana ny Nosy.
TT : Ho avy ny fifidianana, hoy ny governemanta, mbola hirotsaka hofidiana Ben’ny tanàna ve i Fety Georges fa mbola mila anao izany ny vahoaka an’Ampasimbe Onibe ?
Fety Georges : Tsy hilatsaka hofidiana Ben’ny tanana intsony aho. Aleo ny hafa indray no hitondra ny traikefany sy ny fahaizany ary ny fampandrosoana fantany ho an’Ampasimbe Onibe. Tsy dia olona midongy seza ny tenako, efa nahavita fe-potoam-piasana in-telo aho izao, ka mba ilaina amin’izany ny mampita ny seza amin’ny hafa satria tsy lany olomanga ny Kaominina Ampasimbe Onibe misy anay.
TT : Mety hirotsaka ho solombavambahoaka izany ?
Fety Georges : (nihomehy)… Tsy mbola fantatra izany. Ho hita eo ihany ny fanapahan-kevitra amin’ny fotoana hivoahan’ny datim-pifidianana. Mbola hamarana ny fe-potoam-piasan’ny Ben’ny tanàna aloha aho izao.
Nangonin-dRakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.